Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Angatahin’ny depiote ny hanarenana haingana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala. Anisan’ny lahatenin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izany, satria efa ela no niandrasan’ny mponina an’iny lalana iny. Maro koa ny depiote mitaraina amin’ny delestazy sy ny haratsian-dalana, ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa. Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe Voie rapide, mampitohy ny seranan-tsambon’i Toa­masina […]

Fifandraisan-davitra : Namoaka ny « cartoréseau interactive » ny Artec

Nampahafantarin’ny Autorité de régulation des téchnologies de communication na Artec ny vovonona ana habaka «cartoréseau interactive». Fitaovana ahafahan’ny besinimaro mahita amin’ny fotoana rehetra ny fandrakofana finday manerana ny Nosy izay azo jerena ao amin’ny tranokala https://www.artec.mg/cartoreseau/. Anisan’ny namolavola ity fitaovana ity ireo ekipa teknikan’ny Artec. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra […]

ITM-IHM : Misarika mpizahatany ny asa tanana

Nosantarina, omaly, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, andiany faha-11, (ITM) sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHS), andiany faharoa. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry. Maherin’ny 500 ny mpandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy asa tanana isan-tsokajiny. Firenena nasaina manokana i Maraoka, notarihin’ny minisitry […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-50 taona niorenany ny Fofifa. Nisy ny lanonana roa sosona teny an-toerana, tamin’ity herinandro ity. Notokana­na ny trano fivoriana lehibe «Amphithéâtre » nohavaozina. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy koa ny lahadinika siantifika mahakasika ny fikarohana momba ny fambolena, ho fampandrosoana maharitra mitondra ny lohahevitra “Regards croisés […]