Hivoaka anio, 17 septambra ao amin’ny pejin’ ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barean’i Madagasikara, izay hifandona amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana amin’io fotoana io, ny anaran’ ireo mpilalao vaovao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Efa mandeha ny fampivondronana […]
Taratra
Handball – Afrika «Cadets» : Mbola resin’i Tunisie indray i Madagasikara
“Resy indray…!” Mitohy hatrany ny vokatra ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “cadets”, lehilahy, izay tontosaina any Côte d’Ivoire, hatramin’ny 22 septambra. Mbola niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa 62 no ho 20, indray ny Malagasy mpilalao, omaly, nandritra […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2027» : Efa nahavita ny fisoratana anarana i Madagasikara
Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, i Madagasikara. Hiditra amin’ny fampivondronana hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) ny volana oktobra ho avy izao. Nampahafantarin’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, fa […]
Zotram-pifidianana : Manara-maso ny tohin’ny fakan-kevitra ny ONU-UA
Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, afakomaly, ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA), Mohamed Idriss Farah sy ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU). Nifantoka tamin’ny toe-draharaham-pirenena ny fihaonana ka anisan’izany ny momba ny fizotry ny dinika fakan-kevitra natao teny Iavoloha, nanomboka ny 1 hatramin’ny 8 septambra […]
Boeny: Miofana ireo mpisehatra amin’ny dihy
Manana mpandihy manan-talenta ny ao Boeny. Tsy ampy anefa ny talenta fotsiny fa tsy maintsy tovanana traikefa izany. Antony hanomezana fiofanana ireo tanora mpisehatra amin’ ny dihy, mandritra ny hadimiana izany, ao amin’ny efitrano « Akory lahaly », Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera Mahajanga. Mitarika izany Ratovonirina Falihery, mpampiofana avy ao amin’ny […]




