Fanampiana ara-pahasalamana mitentina 2,2 tapitrisa dolara no natolotry ny governemanta amerikanina, omaly. Ahitana lay misy odimoka maharitra miisa 1 tapitrisa izany, hotsinjaraina amin’ny alalan’ny tetikasa vatsian’i Etazonia vola (GHSC-PSM). Hisitraka izany maimaimpoana ireo faritra ahitana ny fiakaran’ny aretina tazomoka izay mbola mamono mihitsy eto Madagasikara, indrindra any amin’ireo toerana alavitra […]
Taratra
Toamasina : Mihena ny asa-jiolahy mateti-pitranga
Taorian’ny fiaraha-mientan’ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta tany Toamasina dia azo tsapain-tanana ny vokatra. Anisan’izany ny teo amin’ny filaminam-bahoaka. Niha nihena ny asa ratsy taorian’ny fitsidihana sy fihaonana manokana tamin’ny polisy sy ny minisitra Erick Michel. Nivoitra nadritra ny fihaonana ny fiaraha-manombana ny ezaka efa natao sy nanomezana toromarika hiatrehana […]
Fanaparitahana laza adina hosoka : Efa nandraisana fepetra ireo voakasika rehetra
Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanadinana bakalorea. Anisan’ny ifotoran’ny tomponandraikitra ny ady amin’ny fiparitahan’ny laza adina. Miara-miasa ny polisy sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony Nanao sonia fiaraha-miasa, omaly, teny Anosy, ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny fanomezam-boninahitra an’i Clarisse Ratsifandrihamanana. Hatao eny amin’ny Akademia Malagasy ny hetsika, rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Amin’ny maha mpanoratra sy olon’ny literatiora azy, nanamarika vanim-potoana teto Madagasikara no antony. Hiverenana horesahina mandritra izany ireo sanganasany maro. Tohin’ny fitokanana ilay efitrano fampirantiana mitondra ny anaran’i Clarisse Ratsifandrihamanana […]
Vao mainka atahorana ny piraty: Tsy afa-mivelatra ny tontolon’ny boky
Fanaovana dika mitovy na fisandohana an-karihary. Fotoana ela no efa niadiana tamin’ny fanaovana piraty. Hatramin’izao, tsy mbola mivaingana sy misongadina manoloana ireo tena tompon’ny sanganasa ny vokatra azo. Mitombo isa ny mpivarotra boky eny amoron-dalana. Rehefa tomorina akaiky, dika mitovy miloko avokoa no nanaovana azy ireny. Sady tsy nanonta ny […]





