Taratra

Fiahiahiana kolikoly : miisa telo ireo kandidà depiote voasambotra

Miisa telo, hatramin’ny omaly, ireo kandidà depiote noahiahiana amin’ny resaka kolikoly nosamborina na nampidirina am-ponja. Manomboka mampiaka-peo koa ireo kandidà sasany amin’ireo teritery samihafa Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny kandidà tsy miankina, ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre. Nampidirana am-ponja eny Antanimora ny 8 avrily teo noho izy ahina ho nanodinkodim-bola tamin’ny […]

Faha-50 taonan’ny OJM : nandalo sedra sy fotoan-tsarotra ny mpanao gazety

Notsiahivin’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, omaly, fa nametrahana ny firaisankinan’ny mpanao ga­zety tany amin’ny taona 1974 no antony nananganana ny holafitra. Teo ny teritery sy ny tsindry samihafa niseho tamin’ izany. “Nandalo vanim-potoana sarotra ny asa fanaovan-gazety tao anatin’izay 50 tao­na izay. Na teo amin’ny […]

Ramamimampionona Gérard : «Depiote izany tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava…»

Amin’izao fifidianana izao, olona toy inona no tokony ho depiote? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimam­pionona Gérard: ” Olona mijoro izany, fa tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Olona toy inona no tokony ho depiote? Ramamimampionona Gérard (-): Andrimpanjakana iankinan’ny firenena amin’ny fitantanana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy sampan’ny Iarivo Art & Academy eny Antaninarenina. Sampana faharoa, ankoatra ny foibe eny Ampandrana izy ity. Hisokatra voalohany ny 8 mey izao izany toeram-pampianarana mozika izany. Fampiana­rana karazan-javamaneno, toy ny piano, gitara, gitara beso, lokanga, valiha, sns, no ao izay hosahanina mpampianatra matihanina. Anisan’ny hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho […]