Norobain’ny jiolahy valo lahy ny tokantrano iray tao Andohony, fokontany Antsahabe sy kaominina ambanivohitra Bongatsara, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nosokirin’ireo olon-dratsy ny varavaram-by tao ambony rihana saingy tsy voasokany. Nambanany basy avy eo amin’ny varavarankely ireo tompon-trano ka voatery namoha ny varavarana. Tafiditra tao an-trano izy valo lahy […]
Taratra
Anosizato: jiolahy nitam-basy lavon’ny zandary
Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana lavon’ny mpitandro filaminana tao Anosizato, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nahatrarana basy vita gasy teny aminy. Jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadiana lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo tao Anosizato, afakomaly alina, tamin’ny 10 ora. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosizato […]
Judo – Tompondakan’i Afrika : mpilalao 4 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena
Niainga, omaly, teny Ivato, tamin’ny 3 ora tolakandro, hihazo an’i Egypte, ireo delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Fifanintsanana hanomboka rahampitso. Raha ny vaovao voaray omaly, teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny judo (FMJ), miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy, ireo mpilalao hiaro ny voninahitr’i Madagasikara […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny 1/16-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nisafidy ny hiala an-daharana, noho ny antony ara-bola, ny Tsaramandroso FC, klioba mifaninanana amin’ny « Pure Play Football League”. Mbola hanefa ilay sazy amin’ny « PFL» izy ireo, araka ny vaovao voaray. Tafita avy […]
« Enduro Sherco Motul» : nahazo fandresena Andrianirina Andy
Notanterahina afakomaly, teny Merimandroso Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto “Enduro Sherco Motul”. Tamin’ity andiany voalohany ity, nahazo ny laharana voalohany Andrianirina Andy, Malagasy mpilalao Moto. Nahavita “tours” in-17 tao anatin’ny adiny roa izy rehefa avy namakivaky ny lalana feno sakan-dalana sy fotaka. Teo amin’ny laharana faharoa kosa […]




