Taratra

Handball – “CCCOI 2024”: hatao eto Madagasikara fa niala an-daharana i Maurice

Tsy vonona ny Maorisiana handray ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara, sokajy “senior”, taranja handball. Araka izany, hatao eto Madagasikara indray ny fihaonana. Noho ny disadisa anatiny misy eo amin’ny Fe­dera­siona maorisiana ny handball, tsy raikitra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho […]

Ihosy : vehivavy nangalatra finday voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray nangalatra tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Ihosy, ny 20 avrily teo. Nana­kaiky ny mpivarotra kojakoja tao an-toerana, nanao toy ireny mpividy ireny io ramatoa io. Nanontany ny vidin’ny kojakoja izy. Nandrasany ho variandriana ny mpivarotra ka norobainy ny finday vaovao miisa valo. Nentiny […]

Fizalaotra : hanao tohivakana ny hetsika

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fampahafantarana sy fanokafana ny fankalazana ny faha-45 taona nijoroan’ny Fizalaotra. Nohamafisin’ireo nandaha-teny tamin’izany fa efa mijoro sy amperinasa ny komity mikarakara ity fankalazana ity. Novelabelarina tamin’izany koa ireo hetsika rehetra ho­tontosaina. Anisan’izany ny fiaraha-mitsangatsangana sy ny fifaninanana samihafa eo amin’ny fanatanjahantena ary […]

Praiminisitra : “Paikady vaovao no iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana”

Nidina teny ifotony ny fitondram-panjakana ary nitondra vahaolana. Nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian fa ilaina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fametrahana fandriampahalemana. “Tsy maintsy apetraka ao anatin’ny fotoana fohy ny paikady vaovao entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy ny distrikan’Ankazobe ary ny ma­nodidina”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, […]

INDRAY MIJERY

Tao Ambovombe no nanatanterahina ny fihaonambem-paritra ho an’ny fahasalamana, ny faran’ ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahana mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza amin’ny fijerena manokana ny fahasalaman’izy ireo sy ny zatovo, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahasalamana ara-pananahana. 10 taona mahery no nijoroan’ny fikambanana Autisme Madagascar. […]