Taratra

Nanapa-dalana teny Ambatofotsy: Mpitokona iray maty, 16 voasambotra

Voalaza fa maty voatifitra teo amin’ny loha ny iray tamin’ny mpitokona, omaly, teny Ambatofotsy. Nisy 16 hafa nosamborina. Mitaky ny tsy hanesorana azy ireo eny amin’ny Fasan’ny Karana izy ireo. Milaza ny tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana. Nidina an-dalambe teny amin’ny lalam-pirenena fahafito ireo mpitatitra avy eo amin’ny Fasan’ny […]

Sombim-baovao

 Norombahin’ny ekipam-pirenena malagasy, nisy an’i Bondy sy i Balôty ary i Lova, ny andiany faha-47 “National Open Top 1000 de Chalon sur Saone”, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina tany France, ny alahady lasa teo. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 9, ny ekipan’i Laleuf.  Hanomboka rahampitso, […]

Volley-ball: lasan’ny VBCD sy ny GNVB ny amboara

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja volley-ball, sokajy diviziona faharoa (D2). Ho an’ny vehivavy, lasan’ny VBCD ny amboara nasionaly, rehefa nandavo ny Squad X tamin’ny seta 3 no ho 0, (25,21/25,15/25,21) izy ireo. Marihina fa ny seta voalohany sy ny fahatelo […]

“Fiba 3X3 U23 World Cup”: hidona voalohany amin’ny Ankoay i Lettonie

Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja mitafon’i Wuhan-Chine, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona telo, sokajy U23, lahy sy vavy na “Fiba 3X3 U23 World Cup”. Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Ankoay Ma­da­gasikara, izay ao amin’ny vondrona “C”, miaraka amin’i Lettonie, Ouganda, Tonga ary i Espagne. Raha ny […]

“Can 2027”: efa fantatra ny ankamaroan’ireo voaantso ho Barea

Na mbola amin’ny alakamisy ho avy izao aza vao hivoaka ny anaran’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny Barea, efa namoaka ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra, ny ankamaroan’ireo klioba any ivelany, ny herinandro lasa teo. «Afaka andro vitsy !». Ny alakamisy ho avy izao no hivoaka ao amin’ny pejin’ny Fede­rasionina malagasin’ny […]