Anisan’ny sarotra ny mamerina sy mampiaina indray ny sanganasan’i Antonio Vivaldi raha eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Iray amin’ireny ny «Les quatre saisons» izay nampitolagaga olona maro ny hatsarany, nanomboka tany amin’ny taona 1723. Hoporofoin’ny Madagascar Orchestra, ny 29 novambra izao, manomboka amin’ny 1 ora, etsy amin’ny IFM Analakely fa […]
Taratra
Tontolon’ny literatiora: hihaona ireo mpanoratra fandaharam-pianarana
Fotoan-dehibe ny anio, ho an’ny tontolon’ny literatiora. Hihaona ary hizara ny traikefany ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana, izay mbola velona amin’izao fotoana. Hetsika amina toerana telo samihafa izany. Tontolo andro ho an’ny literatiora. Toerana sy fotoana telo no azo isafidianana: amin’ny 8 ora maraina, ao amin’ny Amphi Lycée Rabearivelo Analakely. Amin’ […]
Kolikoly ara-nofo : manjaka amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa
Ny tontolon’ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa no tena anjakan’ io tranga io eto Madagasakira, raha ny fanadihadiana nataon’ny sehatra maro samihafa. Maro amin’ ireo olona iharan’ io tranga io no tsy mahafantatra fa kolikoly ara-nofo izany. Manjaka betsaka any amin’ireo sekoly sy oniversite eto Madagasikara ny kolikoly ara-nofo, […]
FANTINA sy FINTINA
Hiova endrika ny tolona, araka ny nambaran’ ny vondron’ny kandidà 10. Nihaona amin’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny antoko ary fikambanana politika izy ireo, omaly, teny Andraharo. Nohamafisin-dRavalomanana izany fa havadika ho tolom-bahoaka izany. Harahi-maso ara-pitsarana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, taorian’ny niakarany fampanoavana, tetsy Anosy, omaly. Hatao ny 12 desambra kosa ny […]
Voka-pifidianana vonjimaika : nahazo vato 69% ny kandidà Rajoelina
Mirona miandalana any amin’ny fandresen’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, ny voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika ary tsy ho tonga amin’ny fihodinana faharoa. Miisa 3 207 ireo Birao fandatsaham-bato (BV), nahazoana vokatra amin’ireo BV miisa 27 337, omaly alina tamin’ny 9 ora. Miisa 16 556 99 ireo mpifidy voasoratra anarana amin’izany ka […]




