Hatolotra ny fampanoavana ny renikely nahavita nanao herisetra tamin’ny zana-badiny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Sambava, ny zoma teo, izy noho ny fandratrana sy famonoana ankizy. Ankizilahy 6 taona ity niharan’ny herisetra ity tao amin’ny fokontany Antsirabe Sambava. Nikiakiaka nitomany ilay ankizy rehefa novonoiny sy nodarohany tao an-trano. […]
Taratra
Manakara : mpirahavavy maty tao an-davadrano
Nifamonjy rehefa nilatsaka tao anaty lavaka feno rano ny zazavavy roa tao Manakara, ny alahady maraina teo. Teo amin’ny toerana fisasan’ny olona izy mirahavavy izao tra-doza izao. Nisy vato malama mipetraka teo amoron’io lavadrano io. Nanitsaka izany ilay zandriny ka nilatsaka tao anaty lavaka. Niezaka namonjy ary nisintona ilay zandriny […]
Fanombohan’ny fiofanana : nanao dia an-tongotra niaraka ireo zandary USAD faha-29
Nanomboka omaly ny fiofanana ho an’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra mandrafitra ireo hery manokana eo anivon’ny zandarimaria miady amin’ny asan-dahalo (USAD) andiany faha-29. Dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy niarahan’izy ireo tamin’ny manamboninahitra ambony, ary manamboninahitra lefitra miasa ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), notarihin’ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny FIGN, […]
Rajaonarimampianina Hery: nitafa tamin’ny mpanara-dia azy
Notanterahina ny alatsinainy 13 febroary 2023, teny amin’ny foibe toeran’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara na HVM, eny Andraharo Antananarivo ny fihaonana teo amin’ny filoha mpanorina ny antoko sy ny mpanara-dia azy. Fotoana nanaovana ny tafatafa sy resadresaka taorian’ny fahatongavan’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara, ny asabotsy 11 […]
Fandriampahalemana : nahazo fitaovam-piadiana avy amin’ ny Tafika ny polisim-pirenena
Nisitraka fitaovam-piadiana ahafahany manamafy ny fandriampahalemana ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Notanterahina teny amin’ny Fip Antanimora, ny alakamisy 09 febroary 2023, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Fanomezana basy sy vanja avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny antony. Naneho fisaorana manokana ho an’ny MDN, ny Jly Rakotonirina […]




