Taratra

Kitra – Amboara rezionaly U19 : fandresena avy hatrany ny an’ny ekipan’Analamanga

Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fifaninanam-paritra, taranja baolina kitra sokajy U19. Nahomby sahady ny ekipan’Analamanga, izay nilalao tao Antsirabe. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fiadiana ny amboaram-paritra taranja baolina kitra ho an’ireo tanora latsaky ny 19 taona. Lanonana izay natao tamin’ny kianja valo, toa ny kianjan’Antalaha, Port – Berger, […]

Jly Rakotonirina Léon Richard : “Manana ny maha izy azy ny diplaomasia malagasy”

“Ny ezaka voalohany ataontsika dia ny fametrahana ny atao hoe diplaomasia malagasy hamiratra kokoa. Mba fantatra bebe kokoa manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara, ary ny fandraisan’i Madagasikara andraikitra koa manoloana ny fiarahamonina iraisam-pirenena”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana vonjimaika, ny jeneraly Rakotonirina Léon Ri­chard, teny Anosy, afakomaly, […]

KMF/Cnoe: “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”

Adihevitra amin’izao ny amin’ny tetibola hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity. Ampy sa tsia? “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena. “Mora ny miteny hoe atao avo telo na efatra heny ny tetibolan’ny fifidianana. Tsy any ny olana. Tokony hohazavain’ny governemanta ny […]

Jery taratra…: Aleo hazava… hilaminana

  Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa eo anelanelan’ny 19 novambra sy ny 19 desambra no hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Araka ny lalàmpanorenana, iray volana mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, izay raha farafahelany ary roa volana mialoha raha farahaingany, raha tapitra amin’ny 19 janoary 2024 izay fe-potoam-piasana izay. […]

Raharaha Anja : mitohy ny fanadihadiana, efa mihasalama ny reniny

Taorin’ny hatairana saika niteraka rarin-tsaina ho an’ilay renin’ny tovovavy kely niasa ka namoy ny ainy teto an-dRe­ni­vohitra ny 02 janoary teo. Efa mihatsara ny fahasalaman’ io ramatoa io amin’izao fotoana. Sahirana ara-pivelomana, na­lefan’ny reniny avy any Mi­ari­narivo hiasa tamin’ny olona teto Antanana­ri­vo io tovovavy 15 taona, atao hoe Anja io. […]