Taratra

Andrianainarivelo Hajo : « Aoka isika tsy handiso fanantenana… »

Naneho ny heviny manoloana ireo zava-nitranga sy ny fanehoan-kevitra maro nipoitra tato ho ato manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo. Nambarany fa mendrika hajaina, raha mbola tena mandala ny demokrasia isika, ireny fanambarana sy fanehoan-kevitra ireny. Manoloana izany, nanteriny fa samy saro-piaro amin’ny firenena ny […]

Kilalao maloto

  Somary mahasanganehana ny zava-miseho eto amin’ny firenena. Toa tantara ratsy, efa fahita, no miverimberina andro aman’alina. Dorana ny Rova, lazaina fa jiolahy ny mpiambina an-dry zalahy. Henjehina sy miditra am-ponja ry malamalama. Mifamaly sy miady eny amin’ny tambajotran-tserasera ny samy mpitondra, na an-drenivohitra io na any ambanivolo. Tsy misy […]

Fiaraha-mivavaka amin’ny FLM : Miantso ny hiadiana amin’ny kolikoly ny Filoham-panjakana

Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino FLM tao Antsirabe ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël mivady, ny alahady teo. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’ireo kristianina sy ny vahoaka tamin’izany. Nangata-bavaka ho an’­ ny firenena ny Filo­ham-panjakana toy ny ma­ha­zatra azy amin’ny fanatrehana ny fotoam-bavaka tahaka izao, ankoatra ny famaliana ny hetaheta sy […]

TSELATRA

Trano lehibe iray misy rihana nirehitra tetsy Mahamasina, omaly. Nifamonjen’ ireo mponina manodidina ny famonoana ny afo. Niatrana teny an-toerana rahateo ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy. Nosamborin’ny fokonolona ireo roa lahy tratra nangalatra henan-kisoa tao amin’ny fahorian’olona tao Tanamahalana, kaominina Ambositra, omaly. Mbola sarona teny an-tanan’izy […]

Tranga hafahafa : Ankizivavy 50 isa voan’ny ambalavelona

Ankizivavy manodidina ny 50 isa nitrangana aretina hafahafa toy ny ambalavelona tany Mahajanga, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Mpianatra eo anivon’ny sekolim-pinoana iray any an-toerana izy ireo. Nitabataba, nitsipatsi­paka ary nitomany ireo ankizy lasibatra ireo. Niafara tamin’ny fahasemporana sy fahatoranana mihitsy izany avy eo, raha ny fanazavana voaray […]