Taratra

Minisiteran’ny tanora : “Tsy eny an-dalambe no manova rafitra”

“Raha mieritreritra hanova ny firafitry ny andrimpanjakana izay takin’ny tanora amin’izao hoe: ovaina ny HCC sy ny Ceni ary ny Antenimieram­pi­renena. Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no hahazoana miady hevitra ny amin’izany, fa tsy an-dalambe, tsy any amin’ny tambajotran-tserasera, tsy any an-trano… “. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany […]

Fanovana toe-tsaina

  Anisan’ny mbola takina sy andrasana amin’izao governemanta izao izay notakina teny an-kianja, nahatongavana amin’ity hoe fitondrana Fanavaozana. Tsy inona izay fa ny sosialim-bahoaka. Eo, ohatra, ny famatsian-jiro sy rano, ny famoronana asa, ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana… Hatramin’ny fanamboaran-dalana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota… Lasa fanamby! Mby aiza? […]

Fikaonandoham-pirenena: Namaky lay ny tany Antsirabe II, Faritra vakinankaratra

Notanterahina tao Tsarafara sy Tsarafiraisana ny fikaonandoha fampiharana, niarahana tamin’ny minisitera misahana ny fanavaozana. Nitarika izany tany an-toerana ny tomponandraikitra voalohany, Me Razafimanatsoa Hanitra. Manomboka ny fikaonandoahna isan-tsokajiny, hoentina ma­molavola ny tena fanavaozana. Nisantatra izany, afakomaly, ry zareo avy ao amin’ny distristrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Noha­ma­fi­sian’ny minisitra, Me Razafi­manantsoa Hanitra, […]

TSELATRA

Trano iray nirehitra tampoka vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra teny Ambohimanarina, omaly. Voafehy tao anatin’ny minitra vitsy ny firehetana noho ny fahatongavan’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy. Notanana vonjimaika am-ponja ireo mpiasa roa avy eo anivon’ny orinasa Jirama tao Miarinarivo Itasy, ny 4 avrily teo. Nanome taratasy hosoka […]

Ambohidratrimoanala-Andriampamaky: Fatim-behivavy mampiahiahy tao an-trano

Nisehoana trangam-pahafatesana mampiahiahy tao amin’ny tokantrano iray, ao Ambohidratrimoanala, any Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana. Afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany no nahary antso mahakasika izany ny mpitandro filaminana. Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny zandary sy ny mpitsabo avy amin’ny CSB 2. Hita tamin’izany ny fisian’ny razana efa mihorirana […]