Ho fanatsarana hatrany ny tolotra eny amin’ireo toeram-pivarotam-panafody na ny dépôt de médicament, nomena fiofanana, izay iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoka, ireo mpitantana. «Manodidina ny 1 400 ireo toeram-pivarotam-panafody manerana ny Nosy, mamaly ny filan’ireo mpanjifa, indrindra any ambanivohitra sy amin’ireo toerana tsy ahitana farmasia», araka ny fanazavan’ny filohan’ny vondrona mpivaro-panafody […]
Taratra
Fanomezan-danja ny fikarohana: Nitsidika ny Ioga ny minisitra mpiahy
Ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny fikarohana, nitsidika ny “Institut et observatoire de géophysique d’Antananarivo” (Ioga) ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, tamin’ity herinandro ity, teny Ambohidempona. Nanotrona azy teny an-toerana ny delegasionina notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo sy ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa. Notsidihina […]
Orinasa mpamokatra fanafody: Misokatra anio ny fivorian’ny farmasianina
Marary ny orinasa malagasy mpamokatra fanafody amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 1960 ka hatramin’ny 1990, nitazona ny 40% ny tsenan’ny fanafody ny orinasa mpamokatra fanafody Farmad. Karazam-panafody sy vokatra fikojana tarehy, volo, hoditra niisa 150 no novokarin’ity orinasa ity teto an-toerana. Ankehitriny, 15 eo ho eo sisa ny fanafody volavolainy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina any Antsirabe, ny 17 ka hatramin’ny 19 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana karakarain’ny Federation sport-boule de Madagascar. Lalao ho an’olon-telo miaraka izy io ary tsy maintsy manana kara-pilalaovana ara-dalàna ireo hifaninana rehetra.
Kitra eoropeanina: Resy tao an-kianjany ny Real de Madrid
Nitranga ny tsy nampoizina nandritra ny lalao ampahefa-dalana mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, ho an’ny ekipa tompondaka na ny “Ligue des champions d’Europe”, taranja baolina kitra. Ny talata alina teo, tao amin’ny Kianja Bernabeu, lavon’ny Bayern de Munich, tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Real de Madrid, tompon-jaridaina. […]





