« Revy be pro max ». Izay ny lohatenin’ilay fampisehoana goavana hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alatsinain’ny Paka izao. « Io no fety goavana indrindra eto Antananarivo sy ny manodidina amin’io. Nosafidiana manokana ho ireo mpanakanto malaza tena andrasan’ny maro no hampiarahina ao », hoy ny nambaran’i Tantely Ralalarison, avy ao amin’ny Live Prod, […]
Taratra
200 taona ny Trano Printy FJKM : Hanatanteraka « Antsa Paska » ny Chorale Orimbato
Tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ny tantaram-pirenena sy ny tantaran’ny fiangonana. Ho fankalazana ny Paska rahateo. Toy ny fanaony isan-taona, hanatanteraka ny « Antsa Paska » ny Chorale Orimbato. Manamarika ny faha-200 taonany ny Trano Printy voalohany teto Madagasikara izay an’ny Fiangonana FJKM. « LMS Printing House » ny anarany tamin’izany. Tonga teto Madagasikara, ny […]
Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana : Ahina hiverina ny tsy fanjarian-tsakafo
Ny herinandro ho avy izao, hidina any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ny fitondram-panjakana, amin’ ny alalan’ny BNGRC, ny minisiteran’ny Mponina, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) ary ireo mpiara-miombon’antoka. Hitondra fanampiana ho an’ireo olona izay ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy tsy fahampian-tsakafo izy ireo. […]
Tsy fanjarian-tsakafo ; Nankatoavina ny fandaharam-piofanana
Nisy ny atrikasa fankatoavana ny fandaharam-pampiofanana momba ny fitsaboana sy fanentanana ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, no nanatanterahana izany. Tanjon’ny tahirin-kevitra enti-manofana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Eo koa ny fanatsarana ny fahaizan’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony. Tafiditra ao koa […]
Filohan’ny oniversite Itasy: Nisy nitory eny amin’ny Bianco
Nisy nitory eny anivon’ny Bianco ny filohan’ny oniversiten’ny faritra Itasy. Maromaro ny anton’izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany fitoriana izany ny fisandohana andraikitra sy fiahiahiana fanodinkodinam-bola hatrany amin’ny dimy tapitrisa Ariary. Manampy izany koa ny nakana fiarabe miisa efatra, tsy nifanaraka amin’ny dingana ara-dalàna tokony harahina. Mifandraika amin’izany […]





