Taratra

Tafatsoaka ny biraon’ny polisy: naiditra eny Tsiafahy ilay namono mpitondra taxi

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ny iray tamin’ireo namono ilay mpitondra taxi teny Alasora. Nohenoin’ny fampanoavana izy rehefa voasambotra fanindroany, avy nitsoaka tao amin’ny biraon’ny polisy. Naharitra ora maromaro ny fihainoan’ny mpitsara teny anivon’ny fampanoavana ilay lehilahy voasaringotra tamin’ny famonoana raim-pianakaviana iray teny Alasora, omaly. Voasam­botra ny andron’ny […]

Sarimihetsika, hira, dihy… Nodimandry i Brigitte Bardot

Taona 1950 – 1970. Fo­toana nampamirapiratra an’i Brigitte Bardot. Mpilalao sarimihetsika, mpandihy, mpilatro, mpihira… Samy nananan’ ity mpanakanto teratany fran­tsay ity avokoa ireo talenta ireo. Fantatra fa nodimandry, omaly alahady 28 desambra, tany Saint-Tropez Frantsa, teo amin’ny faha-91 taonany (te­raka tamin’ny 28 septambra 1934) i Brigitte Bardot. Raha ho an’ny […]

Palais des Sports Mahamasina: nanome ny tsara indrindra ny Reko

Fampisehoana an-tsehatra anisan’ny nahasarika mpijery maro tamin’ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin’ny Reko fa tsara ny fiomanan-dry zareo. Omeny lanja ny mpijery. «Izahay hanome ny tsara indrindra avy aty aminay ho anareo foana », hoy i Fy Rasolofoniaina, andro vitsy nialoha ny fampiseho­ana, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Omaly, io […]

Tondradrano: fampitandremana mavo ho an’Analamanga

Ny tsiokan’ny talio, amin’ny ankapobeny, no handrafitra ny toetry ny andro saika manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy, ato anatin’ny roa andro. Noho izany, hahazo vahana ny oram-baratra. Vinavinaina hanatombo hatrany ny rotsakorana any amin’ny afovoany andrefana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Tombanana hiitatra ho an’ny afovoantany izany, ny fiandohan’ny […]

Fihotsahan’ny tany: trano 450 tandindonin-doza noho ny rotsakorana

Raha ny tombana avy amin’ ny foibe famantarana ny toetry ny andro, mbola hitohy ny ro­tsakorana eto Antananarivo. Nidina ifotony ny BNGRC sy ny mpiantsehatra rehetra amin’ ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza momba ny fihotsahan’ny tany eny amin’ ny vohitr’i Manjakamiadana, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra […]