Taratra

Minisitry ny Serasera tao Toamasina: tsy nahafa-po ny mpanao gazety maro an’isa

Fahadisoam-panantenana ho an’ny mpanao gazety maro an’isa ny tao Toamasina. Nihevitra izy ireo fa ho toy ny teo aloha rehetra ny ataon’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Feno­soa, nandritra ny fitsidihany voalohany ny faritra Atsina­nana, ny 23 sy 24 desambra lasa teo. Nitokana fotodrafitrasa maroloko tao amin’ny Kianja […]

By-Pass: mpitondra moto nofaohan’ny 4×4

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy nandona mpitondra moto. Nipitika nivoaka ny arabe ilay mpitondra moto sy ny olona iray hafa ary ny moto notaingenan’izy ireo nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, tsy lavitry ny orinasa Habibo, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy […]

Fametrahana ny rafi-pitondrana: « Tokony hiainga amin’ny soatoavina », hoy ny AAM sy ny AOM

Nanao fanambarana sy nanome soso-kevitra aroso amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Anteni­mieran’ny andriana merina (AAM) sy ny Antenimieran’ny oloben’i Madagasikara (AOM), ny herinandro lasa teo. “Tokony hapetraka eto Ma­dagasikara ny rafi-pitondrana miainga amin’ny soatoavina sy ny fomba amam-panao maha Malagasy”, hoy An­drianjanaka Vahaniaina José, fitokaja eo anivon’ny AAM. “Tokony hofidiana amin’ny alalan’ny […]

Faritra Vakinankaratra: hitadiavam-bahaolana ny olan’ny tany

“Asa maika indrindra, hitadiavam-bahaolana ny olana ara-tany sy ny famariparitan’olona ny tanim-panjakana eto Antsirabe”, hoy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra mpisolo toerana, Ravaonirina Nathalie Sebastienne, nandritra ny fandraisany ny andraikitra vaovao tao Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Hanao izay tratry ny heriny koa izy, raha ny nambarany, ho amin’ny fampandrosoana ny […]