Taratra

Misimisy ny vesatra anenjehana azy: nosamborina sy hadihadiana ny Jly Ravalomanana Richard

Nosamborina omaly, teny amin’ny trano fonenany, afakomaly, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Maro ny vesatra anenjehana azy, toy ny fisandohana andraikitra, fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, firaisana tsikombakomba amin’ny vono olona… Nosamborin’ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny trano fone­nany, teny Ambatovinaky, afakomlay, tokony ho tamin’ny misandratrandro, ny jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard, na Jly baomba […]

Taxi-moto: tafakatra 30 000 Ar ny saran-dalana

Niroborobo ny fitaterana taxi-moto any Mangamila Anjo­zorobe, amin’izao vanim-potoana faran’ny taona izao. Antony, tena ratsy ny lalana, vokatry ny rotsakorana tsy ankijanona any an-toerana. Anisan’ny tena voakasik’izany ny miainga eo Mangamila miatsinanana, mandalo ny kaominina Tsarasaotra sy Alakamisy, miafara any amin’ ny fokontany Ambohibary sy Andranomay. Tsy tongan’ny fiara fitaterana […]

Orinasa SMMC: nanolotra fotodrafitrasa ho an’i Toamasina

Nahazo kianja maroloko, ahitana ny ho an’ny kolontsaina, fanaovana vakodrazana sy hiragasy sy izay mifandraika amin’ izany, ny tanànan’i Toamasina. Eo koa ny fanaovana basikety, azo hilalaovana taranja maro. Orinasam-panjakana amin’ny ampahany, ra­ha tsy miankina kosa amin’ny ankilany ny SMMC (Societé de manutention des marchandises coventionnelles), iray amin’ ireo telo […]