Tafakatra fito ireo olona maty teo anivon’ny hopitaly HJRA nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely (24 sy 25 desambra) lasa teo, raha ny tatitra voaray, omaly. Iray hafa, faty avy any ivelany nahiditra teny an-toerana. Telo tamin’ireo ny olona namoy ny ainy teo anivon’ny sampandraharaha famelomana aina ny 24 sy […]
Taratra
Niharan’ny fanolanana: herinandro tsy mahatsiaro tena ilay zaza
Mila hakarina tsaboina eto an-dRenivohitra ilay zazavavy fito taona niharan’ny fanolanana tao Tsiroanomandidy ka tsy nahatsiaro tena efa ho herinandro lasa. Afa-miaina sy mihetsika ny vatan’ny zazavavy vao fito taona monja niharan’ny fanolanana tao Mangarivotra, distrikan’i Tsiroanomandidy, saingy tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly. Nitaraina ho narary io zaza io herinandro […]
Hetsika Makalombo: mpatory an-dalana 5 000 nizarana sakafo
Nahatsiaro manokana ireo fianakaviana latsaka an-katerena ary tsy manan-kialofana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ny alin’ny 24 desambra teo. Nanatanteraka hetsika Makalombo tamin’ny boriborintany enina teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nizara sakafo mafana ho vatsin’aina hiatrehana ny fetin’ny Krismasy. Mendrika ny hisitraka ny fety na dia anisan’ireo […]
METFP: roa andro ho an’ny Fampianarana teknika
Mikarakara hetsika fampahafantarana sy torolalana mahakasika ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny minisitera, etsy Mahamasina, ny 29 sy 30 desambra izao. Hoavy hampahafantra ny karazana tolora ara-piofanana ao aminy ireo sekoly mampiofana sy mampianatra arakasa eto Antananarivo. Fotoana hisarihana ny sain’ny tanora ho liana amin’ny fampianarana teknika kokoa, […]
Hetsika fosika: 15 ireo fitarainana voaray tao anatin’ny herinandro
Tsy mitsitsy ny minisitra! Fitarainana 15 no voaray tao anatin’ny herinandro, mahakasika ny hetsika fosika. Tanjona ny hialana amin’ny fomba tsy ara-dalàna rehetra. Fanaovana diplaoma sandoka miisa dimy, kolikoly roa, tolotrasa na tolotra fiofanana tsy ara-dalàna iray, fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna roa, herisetra iray, tranga isan-karazany toy ny fisehoana sandoka […]




