Naneho ny heviny momba ny fandraisana andraikitry ny tanora eto amin’ny firenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tena fotoana hirotsahan’ny tanora an-tsehatra izao. Notsiahiviny ny nahavoafidy azy ho ben’ny Tanàna voalohany teo amin’ny faha-28 taonany. Amin’izao fotoana izao, mahafinaritra ny filoha nasionalin’ny MMM ny mahita […]
Taratra
Ambatobe : Mpirahalahy voafaokan’ny fiara, maty ny iray
Namoy ny ainy rehefa tonga tao an-trano fonenany ny ankizilahy iray, 14 taona, rehefa nilaza ho voadonan’ny fiara teny Bibilava mampitohy an’Ambatobe sy Nanisana, ny sabotsy 28 marsa teo, tamin’ny 4 ora sy sasany. “Nivoaka ny trano maraina handeha hikotrana izy roa lahy ireo”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviany. Nandritra […]
Kariera ao Ambohimalaza : Lehilahy maty nipoahan’ny vanja
Namoy ny ainy ny lehilahy iray nandritra ny fipoahan’ny vanja tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato ao amin’ny fokontany Ambohidray Atsimo, kaominina Ambohimalaza, ny harivan’ny alatsinainy 30 marsa teo. Hamaky vato lehibe no tanjon’ireo mpitrandraka ireo. Talohan’ny tena fanapoahana ilay vatobe, nanao andrana manokana izy ireo ka anisany io lehilahy io. Nampiasa […]
Kamiao nivadika teny Manjakandriana: Mpianaka niara-maty nianjeran’ny kaontenera
Nianjeran’ny kaontenera teny ambony kamiao ny fiara kely iray, omaly. Maty tsy tra-drano, voatsindry tao anaty korotam-by, ny renim-pianakaviana sy ny zanany. Avotra soa aman-tsara ny lehilahy iray. Maty tao anatin’ny indray mipi-maso ny renim-pianakaviana sy ny zanany, omaly. Potsitra sy potika nianjeran’ny kaontenera niraikitra tamin’ny kamiao nivadika ny fiara […]
Hazakazaka maneho firaisankina : Hanampiana ny hopitalin’ankizy ny vola azo
Hotanterahina ny alahady 26 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika hazakazaka maneho firaisankina. “Course solidaire La vache qui rit” no anarana isalorany amin’ity andiany voalohany ity. Mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa no andrasana, araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara, omaly, teny Mahamasina. Hizara efatra ny fifaninanana. Voalohany, misy […]





