Ho afaka mamokatra am-pahatoniana sy manatsara ny famokarany ny mpamboly rehefa milamina ny fananatany. Natolotra ireo mponina ao amin’ny fokontany Andranomainty sy Betalatala, distrika Miandrivazo, ny 23 desambra teo, ny karatany miisa 454. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “AD2M” no nahafahana nanatanteraka ity fiarovana ny fananantany ity, famatsiam-bola avy amin’ny Fida. Niara-niasa […]
Taratra
Jirama: hamokatra 20 MW ny toby Ambohimanambola CTA2
Tratra ny fanamby! Araka ny efa notaterina teto, vita ny 24 desambra teo ny fanamboarana ireo milina roa mpihary herinaratra ny G3 sy ny G4 ao amin’ny toby termika Ambohimanambola (CTA2) an’ny Jirama. Tontosa ny fampidirana ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA). Manome tanjaka 3,3 MW ny gropy […]
Tetikasa AD2M: mamboly vary intelo isan-taona ny any Miandrivazo
Karazam-bary sahaza, mahatanty ny toetr’andro mafana any Menabe, ny Sebota 70. Hahazoana vokatra 6t/ha ary azo ambolena intelo isan-taona. Omena toerana ny tantsaha any amin’ny kaominina haneho ny vokatr’izy ireo eo amin’ny tsena. Mitondra fampandrosoana eny ifotony izany, indrindra ho an’ny firenena, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo maharitra. Natao ny 19 […]
Taorian’ny tranombakoka: notokanana koa ny Kianja Vavitiana
Harembako-pirenena mampiavaka an’i Toamasina ny Mozea Vavitiana. Notokanana ihany koa ny kianja, izay manamafy ny maha vavolombelon’ny tantaram-pirenena ity toerana ity. Raha misy ny toerana iray mahasarika mpizahatany ao Toamasina dia ao amin’ny Mozea Vavitiana Ampasimazava. Iray amin’ireo harembako-pirenena ity toerana ity, mirakitra ny ampahan’ny tantaran’i Madagasikara. Trano anisan’ny tranainy […]
Lalao Fihezama 2025: nanjaka ny ekipan’Antananarivo
Tontosa ny 20 sy 21 desambra lasa teo, tany Manjakandriana, ny lalao Fihezama 2025. Nahatratra 250 teo ny mpandray anjara nandritra izany ary efa tena nahafa-po, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy), Rakotovao Jacky Raymond. Nahitana lalao maro izany, ka anisany ny lalao baolina kitra, basikety, […]




