Taratra

Fanafihana mitam-piadiana: raim-pianakaviana sy ny zanany maty voatifitra

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana, ny tolakandron’ ny talata lasa teo, tany amin’ ny fokontany Sambosotsy, kao­minina Behisatsy, distrikan’i Beroroha. Nifanehitra tamin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny fianakavianakely, telo mianaka, handeha ha­mon­jy fodiana rehefa avy na­monjy tsena tany Behisatsy. Nande­ha moto izy ireo no no­saka­nan’ ny jiolahy tamin’ny lalana ary nambanany tamin’ny basy. […]

Tratra ny iray tamin’ireo nahavanon-doza: mpamily taxi hita faty tao an-davapiringa

Raim-pianakaviana iray, mpitondra taxi, hita faty nafatratry ny olon-dratsy tao anaty sinibe ary nalatsany tany anaty lavapiringa, ny 24 desambra teo, tetsy Alasora. Tsy niandry ela fa tratran’ny polisy, omaly, ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP Alasora, teny Ambo­hi­mangakely Ikianja, fokontany Ambovokely, omaly, ny le­hilahy iray […]

Nanao fitsaram-bahoaka: roa lahy migadra dimy taona

Nosazin’ny fitsarana ao Toamasina higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo valo voarohirohy noho ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Mpianatra iray nirava avy nianatra “cours” lasibatry ny vono sy daroka nataon’ny andian’olona tao Man­garivotra Atsimo, parisela 11/14, ny volana avrily 2025 lasa teo. […]

Kaominina Fanandrana: hanodina fako 60 taonina isan’andro

Hanome asa ho an’ny tanora, hanodina fako ho lasa vokatra ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina ny tetikasa vaovao ao amin’ny kaominina Fanandrana. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mifandimby eto amin’ny Nosy. Nisitraka fitaovana lehibe ahafahana manodina fako ny tanànan’ Antsarimasina, kaominina Fanandrana, Toamasina II, ny alakamisy 19 desambra teo. Hisahana manokana […]