Taratra

Lycée Saint Jean Baptiste: mankalaza ny faha-90 taona niorenany

Mankalaza ny faha-90 taona niorenany ny Lycée katolika Saint Jean Baptiste Ambodivona Ambohitrimanjaka. Noso­kafana ny zoma laza teo, tamin’ny alalan’ny Sorona masina teo anivon’ny fiangonana Fo Masin’i Jesoa Ambodivona ny lanonana ivon’ny fankalazana. Notarihin’ny Vikera jeneraly Randriamampandry Wagner. Nitohy tamin’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa telo eo anivon’ny sekoly izany. Nahitana ny […]

CHU JRA: misokatra ny fitsaboana ny rantsam-batana

Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny fandraisana ma­rary ao amin’ny sampandraharaha misahana ny orthopédie, tromatologie ao amin’ny CHU JRA ny profesora Rabe­mazava Alexandrio, dokotera mpandidy, manampahaizana manokana amin’ny fitsaboana sy fandidiana ny rantsam-batana. Ao amin’ny rihana fahatelo no misy ity sampandraharaha ity. Mandray an-tanana, isan’andro, ireo aretina mila fandidiana mitranga amin’ny ran­tsam-batana. […]

Sarotra atao ilay Gasy

Manahirana, tsy hita be ihany ny andraisana ireto vahoaka malagasy tsimandadiharona ireto. Toa mila voatsiary amin’ izay zava-miseho. Efa misy ny ezaka ataon’ny mpitondra fa mbola mimenomenona ihany ny ankamaroany. Tsy mahay mankasitraka kanefa tsy mandray andraikitra ny ankamaroany. Ny tsy manao ihany koa moa no mimenomenona. Raha ny zava-misy […]

Antoko PSD: « Tsy azo ekena intsony ny zara vilana… »

Nitondra ny heviny ary ha­nolotra Lalàmpanorenana hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny avy amin’ny antoko PSD, tarihin’i Eliana Bezaza. Nambarany tetsy Man­­droseza, omaly, fa tonga amin’ny kihon-dalan’ny tan­tara isika, taorian’ny fahara­van’ny fitondrana teo aloha, vokatry ny fitakian’ny tanora miandrandra fiainana tsara­tsara kokoa. Manoloana izany, nilaza ho mahatsiaro manana adidy ny PSD hitondra […]