Noely anaty orana! Raha ny vinavina anatin’ny 5 andro, hahazo vahana ny hamandoana noho ny rotsakorana. Ahina ny ho fiforonan’ny rivodoza. Nilaza ny firafitra ankapoben’ny toetry ny andro ny Meteo malagasy. Nambaran’izy ireo fa raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana sy ireo maridrefy amin’ny morontsik’i Mozambika dia misy tambolon-drivotra […]
Taratra
Anosibe Andrefana I: trano 60 tafo mahery narodana
Narodan’ny andian-dehilahy maro, notronin’ny mpitandro filaminana, ny trano manodidina ny 60 tafo tetsy Anosibe Andrefana I, omaly, tamin’ny 6 ora maraina. Navoakan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Niteraka savorovoro sy ahiahy teo amin’ny mponina izany satria tsy nisy ny fifampiresahana sy fampahafantarana mialoha ny fandrodanana, raha ny nambaran’ireo […]
Karate-Mada isan-tarika: nifampizaran’ny klioba 4 ny fandresena
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, ho an’ny isan-tarika, Kata sy Kumite. Nahitana ny fifandanjana lentan’ny klioba izany satria klioba 4 samihafa no nandrombaka ny fandresena. Azon’ny Tiger’s Andohalo ny anaram-boninahitra teo amin’ny Kata, lehilahy. I Ichiban, Atsimondrano kosa […]
“Pureplay Football League”: tsara fanombohana ny Disciples FC sy ny CFFA
Notontosaina ny alahady lasa teo ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Samy tsara fanombohana na ny Disciples FC Vakinankaratra na ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’izany. Ny Disciples FC nandavo ny Mama FC, tamin’ny isa 1 no ho 0, tao amin’ny Kianjan’ny Mama […]
Tsipy kanetibe: Lasan’i Yves Sedrick ny “Boule d’or 2025”
Nitondra anaram-boninahitra vaovao indray ny taranja tsipy kanetibe. Norombahin-dRakotoarisoa Yves Sedrick mantsy ny “Boule d’or 2025”, na ny mpilalao mendrika indrindra maneran-tany. Izy indray izany no nandimby an’i Jean Feltain, nahazo izany tamin’ny taona 2024. Tsara fiafarana ny taona 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Nofaranan-dRakotoarisoa Yves Sedrick tamin’ny fibatana […]




