Nosoloin’ny fitondram-panjakana, omaly, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Voalaza fa nametra-pialana izy ireo saingy mitsipaka izany izy telo mianadahy. Namoaka didim-panjakana lah. 2025-1965 ny filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, nampitain’ny sekretera jeneralin’ny governemanta, Razafimanantsoa Heritiana Joël. Tsy inona […]
Taratra
Nosy Be Hell-Ville: jiolahy dimy naiditra am-ponja
Notanana am-ponja ny 19 desambra teo ireo dimy lahy mpanao asa ratsy voasambotry ny polisim-pirenena tao Nosy Be Hell-Ville. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambalamanga Befitina, ny alin’ny 11 desambra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana sady nampiasa pilotra ireo mpandroba ka tsy nisy afa-namaly ny tompon-trano. Noteren’ireo mpanao […]
Fitandroana ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona: ampitomboina ny polisy miasa eny an-dalambe
Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny avy amin’ny polisim-pirenena, omaly. Nanaovan’izy ireo tatitra ny mahakasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny fitsenana ny taona vaovao 2026 hoavy izao. “ Hiantsehatra manerana ny Nosy ny polisy mba hahafahan’ny Malagasy isan-tokantrano sy manerana ny Nosy rehetra mifety […]
Taksiborosy latsaka ambany tetezana: mpandeha 15 naratra, voa mafy ny roa
Nivoaka ny arabe, nifatratra tany ambany tetezana ny fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Mpandeha am-polony naratra. Olona roa tamin’ireo mpandeha am-polony voa mafy taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo amin’ny tetezan’i Ikalamilotra, kaominina Berivotra 5×5, distrikan’i Maevatanàna, omaly maraina. Niainga ny tolakandron’ny alahady 21 desambra […]
Rugby-Jobily faha-125 taona: tsy tafavoaka teo anatrehan’ny CEA ny Cosfa
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby Malagasy. Lavon’ny CEA Andranomanalina tamin’ ny isa 25 no ho 22, ny Cosfa. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ny mpilalaon’ny CEA, ny Miaramila, tamin’ity lalao fihantsiana ity. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nanindry ny CEA tao anatin’ny 23 […]




