Taratra

Aorian’ny fiterahana: tokony ho enim-bolana ny fitsaharana

Efa vita ny famolavolana ny boky torolalana ho an’ny orinasa manome lanja ny fiahiana ny fianakaviana anatin’ny asa sahaniny amin’ny andavanandro. Mifandraika amin’ny sehatra efatra ny boky. Ho an’ny birao, ny indostria, ny fambolena ary ny mpanome tolotra. Ha­nampy ny fanjakana sy ny mpitantana orinasa hametraka politika manamora ny fiainam-pianakavian’ny […]

Tetikasa D-Clic: hanofana tanora 1 000 amin’ny asa niomerika telo

Sehatra miroborobo ny fikirakirana ny niomerika amin’izao fotoana. Ilaina ny fahafehezana ny fandaharam-pianarana mifandraika amin’izay, satria maro ny tolotrasa fa ny tanora no tsy mahafehy ny zavatra takina aminy. Izay no nametrahana ny tetikasa D-Clic hanofananna tanora momba ny asa niomerika. Hatomboka ny volana janoary 2026 ny tetikasa D-Clic, fanofanana […]

Nianjera noho ny hamamoana: Raim-pianakaviana maty, vaky loha

Lehilahy iray 35 taona, maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Toamasina, afakomaly. Voalaza fa nianjera noho ny fandehanana mafy tamin’ny moto izy. Mbola avy nisotrosotro niaraka tamin’ny namany tsy lavitra ny tranony ihany koa. Izy hamonjy fodiana iny no tsikaritry ny olona manodidina fa nikarapoka tamin’ny arofanina teny amin’ny sisin-dalana rehefa […]

Oniversiten’i Barikadimy: manomboka ny fanavaozana ny fotodrafitrasa

Nambaran’ny filohan’ny Oniversiten’i Barika­dimy, Razanakolona Diny, fa fotodrafitrasa telo lehibe no hiatombohana ny asa fanavaozana ny fotodrafitrasa ao an-toerana. Misy ny atao birao sy efitrano fivoriana. Misy ny fampiofanana sy ivontoerana fikarohana ho an’ny doctorat sy HDR ho an’ny sampana “3D”. Nivoitra ireo tamin’ny zoma 19 desambra teo, fotoana nanambarany, […]

Fitantanana eny ifotony: lesoka goavana ny tsy fahaizan’ny olom-boafidy

Taorian’ny nandraisan’ny miaramila, filoham-panjakana, ny fitantanana an’i Madagasikara, anisan’ny maro mpangataka ny fanesorana ben’ny Tanàna. Araka ny fanadihadiana, tsy ny loko politika ihany no mahatonga izany fa lesoka iray lehibe koa ny tsy fahafehezana ilay asa. Matetika heno amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny hoe mila sivana ny fanaovana […]