Taratra

Fikaonandoham-paritry ny Silamo: mivoy ny faritany mizaka tena, foanana ny toeran’ny praiminisitra

Efa nahavita ny fikaonandoha teny anivon’ny faritra ny eo anivon’ireo mpino silamo ary hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’izy samy izy ireo. Nitondra tolo-kevitra maromaro momba ny fanavaozana sy ny raharaham-pirenena izy ireo, tamin’izany. Nambaran’ireo mpizaika fa anisan’ny nivoitra tamin’ny fakan-kevitra teny anivon’ny faritra ny fitazonana ny fanjakana tokana. Hapetraka kosa […]

Antohomadinika: lehilahy iray tratra nangalatra atody

Voasambotry ny polisy teny Antohomadinika, ny 18 desambra 2025 tolakandro, ny lehilahy iray 24 taona, mpangalatra atody. Niafina tao ambonin’ny tafontranon’ny biraom-pokontany eny an-toerana izy ka noraisim-potsiny. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo Antohomadinika, ny marain’ny alakamisy 18 desambra 2025 lasa teo. Misy lehilahy […]

Vono olona mahatsiravina: lehilahy iray hita faty tany anaty ala honko

Hita faty tany anaty ala honko, tany Manapatanana-Samborobaka, fokontany Ambondrona, Toliara, ny sa­botsy maraina teo, ny fatin-dehilahy iray. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy io, raha ny fizahan’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Potipotika ny fahitana ny razana, efa simba tanteraka, nosarahantsarahana tamin’ny vatany ny tanany sy ny tongony. Notapahina […]

Atleta namiratra: notolorana mariboninahi-pirenena sy mari-pankasitrahana

Niaka-dapa, ny sabotsy teo , teny Iavoloha, ireo mpilalao sy atleta namiratra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, tao anatin’ny roa volana. Notoloran’ny fitondram-panjakana mariboninahi-pirenena sy mari-pankasitrahana ny atleta teo amin’ny taranja Sport automobile, Razanakoto Iaro Niaina. Tompondaka tany Thailand nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021 izy, izay na­nova sehatra ho […]

Tovolahy tratra tetsy Ambanidia: nanolana zazalahy, saika matin’ny fokonolona

Voasambotra teo am-panolanana zazalahikely vao dimy taona ny lehilahy iray, afakomaly, teny Ambanidia. Nanamparan’ny mponina ny hatazerany, efa naratra mafy vao navelan’izy ireo. Naolan’ny tovolahy 17 taona iray tetsy Am­banidia Volosarika, afakomaly, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, ny ankizilahikely vao 5 taona monja. Tany amin’ny fivoahan’ny maloton’ ilay zaza […]