Taratra

 Notoloran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fitaovam-pianarana toy ny kahie, penina ary fitsipika ireo mpianatra ao amin’ny Akanin’ny Marenina 67 Ha, ho fanampiana sy hanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny. Ivontoerana natokana ho an’ny fanabeazana ireo ankizy manana olana ara-pihainoana eto Madagasikara ny Akama. Nisy ihany koa ny fanome­zana tohana ho an’ireo […]

Bazarikely Toamasina: nohamafisina ny fantson-drano

Manoloana ny tranga fahamaizan’ny tsena bazarikely Toamasina, izay saika miseho isan-taona. Amafisina ilay fan­tson-drano efa miasa ary hampiana fantson-drano miisa telo manodidina ny tsena. Teo aloha, tsy misy afa-tsy fantson-drano (bouche d’incendie » iray ihany tao an-toerana, izay eo anoloan’ny Score. Nambaran’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa mbola fotodrafitrasa napetraky fitondram-panjakana […]

Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika: hampirindra ny faritany mizaka tena

Teny amin’ny boriborintany fahadimy indray ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR), izay tarihin’ny filohany Rabetsitonta Tovonanahary, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra ny heviny tamin’ireo mponina teny an-toerana mahakasika ny fanjakana mizaka tena izay voiziny izy ireo. Tamin’izany no nitondran-dRazafimanantsoa Jerison, teknisianina ao amin’ny IFR fanavaozana fa firehan-kevitra roa no misy […]