Taratra

Fanavaozana tena izy

  Mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra, indrindra ny hala-boty sy ny sinto-mahery. Nanaitra ilay tranga teny amin’ny tsenan’Anosibe, nisehoana fisintomana poketran’olona eny ambony scooter. Tsy nanampo fa very tanatin’ny indray mipi-maso ny fianarana. Tsy afaka nanao na inona na inona. Ny nanamarika ilay tranga, ankoatra ny fandrobana dia […]

Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama: «Samy hotsarain’ny vahoaka na izahay na ny depiote»

Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, rehefa naharitra roa andro, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny Tsimbazaza. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambarany fa voarain’ny governemanta avokoa ny hetahetan’ireo de­piote. Niantso fifanomezan-tanana koa anefa ny tenany. « Samy hotsarain’ny vahoaka isika sy ianareo nisolovava azy », hoy izy. Nambarany fa […]

TSELATRA

Mpitondra moto voafaokan’ny taxi-be tetsy Pullman Ivandry, omaly tolakandro. Nisongona io fiara fitateram-bahoaka io ity farany. Nahay niala kosa ilay mpitondra moto ka voasoroka ny loza. Nisy fahavoazana ny moto vokatry ny loza. Zazavavy kely vao iray volana sy tapany nisy nanary tao amin’ny fokontany Ambohipierenana Ankazoambo, Ambositra, omaly atoandro. […]

Vehivavy hita faty nifatotra: Mpivady niaraka voarohirohy

Notazomin’ny polisim-pirenena ka natolotra ny fampanoavana omaly, ireo mpivady voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vono olona tao Am­bohimandamina, kaominina Mahajanga. Mpivady mifanila efitra tamin’ny tokantranon’i Felicia, ilay renim-pianakaviana 29 taona hita faty tao an-toerana, tamin’ny alarobia 10 desambra lasa teo ireo voasaringotra ireo. “Nanao ny fanadihadiana avy hatrany izahay polisim-pirenena rehefa […]

Maintirano : Zazalahy 6 taona matin’ny voay

Namoy ny ainy vokatry ny kaikitry ny voay ny zazalahy iray vao enin-taona monja tao amin’ny fokontany Andrafiamivony, kaominina Bebaboky Atsimo, distrika Maintirano, afakomaly. Efa zatra mivezivezy amin’io toerana io ilay zazalahy. Niandry omby izy ka nikasa hamonjy fodiana niaraka tamin’ireo namany maromaro, tamin’ny 5 ora hariva. Manoloana ny fiakaran’ny […]