Taratra

Lozam-pifamoivoizana tetsy Behoririka: Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ilay mpamily

Natao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpamilin’ny fiara taxi-be 114, namoa-doza tetsy Behoririka, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana, omaly. Hatao ny 4 febroary hoavy izao ny fotoam-pitsarana. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny Fitsa­rana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha lozam-pifamoivoizana nahafaty ankizivavikely 6 taona tetsy Behoririka, ny 10 desambra lasa teo. Taorian’ny […]

Lalao Fihezama 2025: Mpandray anjara 400 no andrasana

Andro sisa isaina dia higadona ny sabotsy 20 sy alahady 21 desambra hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fi­taizana ny herin’ny zatovo Malagasy) 2025. Hetsika hatao any Manjakandriana. Mpan­dray anjara manodidina ny 400 eo no andrasana, araka ny nambaran’ny filo­han’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond, izay mbola manentana hatrany ho an’ireo maniry ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Niakatra an-tsehatra, omaly, tao amin’ny Kianja Complexe Stadium Cote d’Or, Maurice, ny Barea zan­driny, lahy sy vavy. Nahita fandresena roa nisesy be izao ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy an’i Seychelles, tamin’ny isa 4 no ho 0, sy ny La Réunion, 8 no ho 1. Fahom­biazana ihany koa ny an’ny vehivavy, […]

Tsipy kanetibe : Tafajoro ireo ligy 5 vaovao

Ankoatra ireo ligim-paritra miisa 7 efa nisy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, ahitana an’Analamanga, Vaki­nan­karatra, Matsiatra Ambony, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Menabe ary Itasy, mijoro ara-dalàna ihany koa ireo 5 vaovao. Tontosa ny 13 desambra teo ny fifidianana izay ho filoha hitantana azy ireo. Araka izany, lany ho an’i Bongolava, Razaka­manantsoa […]

Rugby- Fankalazana ny faha-125 taona: Hitsapa ny heriny amin’ny Cosfa ny CEA Andranomanalina

Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny “Super coupe de Madagascar”, taranja rugby. Noho ny tsy fahafahan’ny FTM Manjakaray no antony. Niova ny fandaharam-potoana ka hidona amin’ny Cosfa, tompon’ny amboara, ny CEA Andranomanalina, mitarika vonjimaika eo amin’ny fifaninanana “XXL Top 12”. Niova tampoka ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy Rugby. Raha ny voalahatra mantsy tokony […]