Votsotra teo am-pelantanan’ny olon-dratsy mpaka an-keriny, tany Antsahakely, kaominina ambanivohitra Soavina, distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, omaly maraina, ny olona iray. Avotra soamantsara nandritra ny fanaterana ny vola takalonaina io lasibatra io. Ankoatra izay, maty voatifitry ny zandary, nandritra ny fifanjevoana ny roa lahy, olon-dratsy anisan’ny nanao ny fakana an-keriny. Mbola […]
Taratra
Fonjan’Ambalatavoahangy: gadra telo lahy nandositra, maty voatifitra ny iray
Nandositra ny fonjan’Ambalatavoahangy, Toamasina, omaly, ny gadra telo. Natao ny fanenjehan’ny mpitandro filaminana sy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny fonja. Azo sambo-belona ny iray ary maty voatifitra ny iray. Mbola karohina ny fanintelony. Maty voatifitra ny iray raha toa ka azo sambo-belona ny iray hafa tamin’ireo gadra telo nandositra tao […]
Sombim-baovao
Malagasy mpitsara baolina kitra efa-dahy voatendry hitsara ny lalaon’ny Atomic Ngomé Comores sy Black Bulls Mozambique, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf. Fihaonana hotanterahina any Comores, ny sabotsy 5 septambra ho avy izao. Ireto avy izy ireo: Todihajaniaina Josiano, Hasinjarasoa, Hasinoro Fitiavana ary Hery Tiana Stephan. Nanainga omaly folakandro ny […]
Fambolena: nalaina ny sosokevitry ny tanora
Natao ny alatsinainy 31 aogositra teo, teto Antananarivo, ny fakana ny hevitr’ireo tanora hisehatra amin’ny famokarana sy ny fambolena. Nikarakara azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Lohahevitra noraisina ny hoe: «Tanora tsara fiomananaamin’ny fandraharahana ara-pambolena». Nambaran’ny minisitra, Ramindo Gaëtan, fa «mametraka ny tanora hiditra amin’ny famokarana sy […]
Zotram-pifidianana: hanampiana an’i Madagasikara ny tetikasa APERM
Araka ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny Ceni, teny Alarobia, omaly, nofaranan’ny komity mpitantana tamin’ny fivoriana fahenina ny tetikasa Fanamafisana ny fizotran’ny fifidianana sy ny demokrasia eto Madagasikara (RPedem) iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, afakomaly. Nanatrika izany ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Teo koa ny mpandrindra maharitra ny Firenena mikambana (ONU) monina sy miasa […]




