Mijanona ho lohalaharana amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy ny tsy fisiana ara-bola eo anivon’ny tokantrano. Ahitana izany avokoa na ny any ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe, saingy mahery kokoa izany aty an-drenivohitra. Antony nanaovana ny atrikasa hiadina amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy, hiantohana ny fiarovana azy ireo, no natao teny amin’ny […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nampiakarin’ireo depiote ny tetibolan’ireo minisitera sasany, araka ny fanitsiana nataon’ny eo anivon’ny asam-baomiera eny Tsimbazaza. Anisan’izany ny namindrana ny tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika ho an’ny minisitera vitsivitsy. Nampiana koa ny tetibola ho an’ny fahasalamana sy ny ao amin’ny rano. Tsy miova kosa ny fampiakarana karama. Tafaverina eo anivon’ny Ceni Rakotonarivo Thierry. […]
Mpiasam-panjakana ambony : “Tsy misy idiran’ny politika ny fanendrena”
“Manao karazana fanadihadiana kely aho momba azy io.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety teny Ankatso, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ambony. Taorian’ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana, andiany Soatilo nahazo “licence” sy ny andiany Fanilo mamiratra nahazo “master”, […]
Fan(a)ovana… politika
Hisy fiovana sy fanovana amin’izay ny fomba fanaovana politika amin’izao? Na misy hanitsiana ny dia amin’izay atao ny korontana politika miverimberina… Mandra-pahoviana? Ny tsy mijery lalana na izay ametrahany ny tongony, hono, no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany. Efa nisy tomponandraiki-panjakana ambony teo aloha namaky bantsilana fa ny mpanao […]
Vondrona orinasa Sodiat : « Avelao izahay mpiasa hiasa malalaka sy milamina »
Nanao fihetsiketsehana tao amin’ny tokotanin’ny orinasa, eny Talatamaty, ireo solontenan’ny mpiasa 4 000 eo anivon’ny vondrona orinasa Sodiat, ny asabotsy teo. Maromaro ireo fitakiana sy fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana. Velon-taraina sy manomboka miahiahy tanteraka ka nanatanteraka fihetsiketsehana, nitondra sorabaventy ary naneho ny olany sy ny fangatahany ireto mpiasa marobe ireto. « Mangataka […]




