Fantatra ny faran’ny herinandro teo fa mpianatra valiha 7 mianadahy no handray ny laharan’ny mpampianatra. Nianatra nandritra ny telo taona izy ireo. Ny roa taona nandalinana taranja fototra (solfezy, tantara, valiha sy ny fitendrena azy, fomba sy ny fifamatorany amin’ny valiha…). Ny taona fahatelo, nandalina sy nikaroka. Voka-pikarohana mafonja no […]
Taratra
« International Catering Cup 2027 » : Fantatra ny ekipa malagasy hifaninana
Ekipa roa no nifanandrina tamin’ny dingana famaranana. Ny iray tamin’ireo no naharesy lahatra, ka hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana hainahandro iraisam-pirenena, « International Catering Cup 2027 ». Ny Chef Herizo Jiair Rakotoniana eo amin’ny hainahandro, ary ny Cheffe Onja Feno Ramanantsoa eo amin’ny « pâtisserie ». Izy mianadahy ireto no nandrafitra ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 191 ny tafo natolotry ny vondron’ny mpanondrana drakaka ho an’ireo mpiara-belona voakasiky ny rivodoza nifasesy, tany Mahajanga sy Toamasina. Tolo-tanana nataon’ny sehatra tsy miankina ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana sy ho fanohanana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara izany. Hanaraka fiofanana mifantoka amin’ny fahazoana traikefa mandritra ny roa volana ireo […]
Fanjifana : Vary simba milanja 60 t sarona tao Toliara
Manao ranolava ny fahatrarana vary simba. Tamin’ity indray mitoraka ity, manodidina ny 60 taonina ny vary simba tra-tehaky ny biraon’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) Atsimo Andrefana. Nentina kamiao miisa roa niainga avy any Toamasina ireo vokatra ary tonga tao Toliara, ny alin’ny sabotsy 28 febroary teo. Tsy […]
Toliara : Olona 3 nahatrarana sokatra miisa 167
Nidina ifotony tany Toliara ny Fitantanana miady amin’ny kolikoly (Dulc) eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), taorian’ny angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Nohamarinina ny vaovao, milaza fa misy ny fitrandrahana sokatra antsokosoko. Noraisina ny fepetra mifandraika amin’izany, niaraka tamin’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena (UIR) Toliara, […]





