Notanterahina tany Maorisy, ny 7 sy 8 novambra lasa teo, ny fampisehoana sy fifampizarana nataon’ny fikambanana Traceur Gasy, eo amin’ny taranja Parkour. Fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Fahazavana” no nentin’izy ireo, nahitana an’i Faliniaina Antonio, Ranaivomanana Serge ary Ranaivomanana Toky. Tamin’ny alalan’ny “Théâtre physique” sy “poésie urbaine” no nanehoan’izy telo […]
Taratra
Barean’i Madagasikara: Betsaka ireo mpilalao nosoloina tamin’ny ora farany
Tsy araka ilay lisitra navoakan’i Corentin Martins ny zava-misy eo anivon’ny Barean’i Madagasikara. Miova hatrany ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Guinée Equatoriale. Araka ny tati-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, misy fiovana ny firafitry ny mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara, hidona […]
TSELATRA
Mpamily taxi-be 015 sy mpanampy azy samy nohazonin’ny polisy rehefa tratra nandika lalàna teny amin’ny Rond point Isotry, ny 11 novambra teo. Nihodina an-dalana izy roa lahy ary mbola nanevateva ny mpitandro filaminana. Naiditra am-balam-pamonjana avy hatrany ny fiara. Dahalo mpaka an-keriny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, avotra ilay takalonaina tao […]
Namono zazavavy 7 taona : Roa lahy voasazy higadra mandra-pahafaty
Nahazo didy avy amin’ny fitsarana heloka bevava ao Fianarantsoa hisazy asa an-terivozona mandra-pahafaty ireo roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely, omaly. Voasambotra ny 17 novambra 2024 lasa teo ny olona miisa telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’io vonoan’olona mahatsiravina, tao atsimon’ny Lysea Raherivelo Ramamonjy, ao Fianarantsoa, io. Nifampitadiavan’ny fianakaviany […]
Vono olona mampiahiahy: Tovolahy iray mpianatra hita faty tao an-tranony
Tovolahy iray manodidina ny 22 taona hita faty tao an-trano fonenany, ao amin’ny fokontany Miarina Talata, Andraikiba, disitrika Antsirabe, omaly maraina. Tsy hitan’ny olona teny amin’ny manodidina. Nivoaka ny trano mihitsy izy io nanomboka ny alarobia 12 novambra 2025 lasa teo. Nihidy foana ny trano fonenany nandritra ny tontolo andro. […]




