Taratra

Lalam-baovao Ambohitrimanjaka : Raim-pianakaviana nitondra bisikileta maty voadonan’ny fiara

Fiarakely iray, marika Ford, nanitsaka olona tetsy amin’ny fokontany Anosibe Zaivola, Lalam-baovao mihazo an’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Lalam-baovao mihazo an’Ambo­hitrimanjaka, anatin’ny fokontany Anosibe Zaivola, boriborintany fahenina, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Afaka kely ny tetezana […]

FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fandraisana anjaran’i Madaga­sikara amin’ny filankevitra maharitra faha-132 eo anivon’ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay sy ny fi­kaonandoha faha-46 an’ireo minisitry ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay hatao any Kigali, Rwanda, amin’ ny 18-20 novambra ho avy izao. Tokony ho efa apetraky ny governemanta ny […]

Toromariky ny Praiminisitra : “Hentitra amin’ny sehatra rehetra ny fampiharan-dalàna”

“Resy lahatra ny lehiben’ny governemanta fa tokony ho hentitra amin’ny sehatra rehetra ny fampiharana ny lalàna, ka nandidy tsy hanavahana na inona na inona toerana sy/na satan’ny olona iray.” Io ny toromariky ny Praiminisitra ho an’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny taratasy lah. 053-PM/25, ny 6 novambra lasa teo, nampitain’ny […]

Tsy mila kajikajy maloto  

Inona moa izany fa ny teo ihany no teo! Mitohy ny hazalambo ny mpanao politika tsy mitovy hevitra, indrindra ireo izay tsy tiatiana sy halako bika tsy tiako tarehy. Mibaribary ny finiavan’ny sasany hamotika olona iray na roa izay heverina fa azo poretina sy azo potehina. Na olona niray latabatra […]

Raharaha SMGD – Cnaps – CUA : Niakatra teny amin’ny Pac omaly

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ny raharaha SMGD sy Cnaps. Anisan’ny nohenoina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa sy tomponandraikitra ambony vitsivitsy. Mihazakazaka ny toe-draharaha momba ny raharaha SMGD sy ny Cnaps ary ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Nohe­noina teny amin’ny biraon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na […]