Taratra

Fivarotan-tena ana habaka : Ankizivavy telo lasibatra, lehilahy iray voasambotra

Mampivaro-tena ana habaka zaza tsy ampy taona, lehilahy iray nosamborin’ny zandary ary vehivavy mpiray tsikombakomba aminy karohina, teny Antehiroka, ny talata 17 febroary teo. 16 taona ny roa ary 14 taona ny iray tamin’ ireo ankizivavy tratra nivaro-tena ana habaka tao amina tokantrano iray tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Antehiroka, […]

FANTINA sy FINTINA

Efapolo taona katroka taty aoriana indray vao nisy filoha malagasy nitsidika amin’ny fomba ofisialy any Rosia, amin’izao dian’ny filoham-panjakana any an-toerana izao. Ny 26 marsa 1986 no nihaona ny filohan’ny Firaisana Sovietika teo aloha (Rosia), Mickaël Gorbatchev sy ny filohan’ny Repoblika Demo­kratika Malagasy, ny amiraly Ratsiraka. Nomen’ny Sadc fe-potoana hatramin’ny […]

Depiote Milavonjy Philobert : « Lasibatra sy tsy afa-bela izahay Irmar »

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha lefitra fahafito sady lehiben’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimiera, ny depiote Milavonjy Philobert. «Na hahafaly na tsia, hita mihitsy izao fa tena very hasina ity Andrimpanjakana ity. Lasa manao ny tiany hatao ny minisitry ny Fitsarana ka maha­tonga izao fisamborana sy fisavana anay […]

Menamena ny sary

  Anisan’ny sehatra iray miroborobo sy mihazakazaka be amin’izao fotoana izao, amin’ny fitondran’ny kolonely Randrianirina Michaël, ny Diplaomasia. Iaraha-mahalala fa efa nivoaka any ivelany indray ny tenany, nanomboka afakomaly. Miezaka ny mamelatra ny fifandraisana amin’ ny firenena hafa, ankoatra ny nahazatra hatrizay. Tsy mihanona amin’ny be kintana sy ny frantsay […]

Madagasikara sy Rosia: Tonga ny helikoptera MI-8 sy fiara ho an’ny traboina

Mamita iraka any Rosia, hatramin’ny omaly, ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël. Efa tonga eto Madagasikara kosa ny helikoptera sy ny fiara hoenti-manampy ny traboina. Afaka andro vitsy no ho avy ny fiaramanidina miaraka amin’ny sakafo. Nanampy eo amin’ny fampitaovana noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Fytia sy Gezani ny fanjakana Rosianina. Efa […]