Taratra

Jeune Patronat de Madagascar (JPM): Hijery ny fomba fampandrosoana ny fandraharahana

Hitondra vahaolana hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahan’ny tanora sy ireo teboka hanohanana ny toekarena ny JPM mandritra ny fivoriambe ho ataony. Horesahina manokana ireo paikadim-panarenana sy ny hampandrosoana ny fandraharahana. Hotanterahina ny 26 novambra ny fivoriamben’ny «Jeune patronat de Madagascar» (JPM). He­tsika hamoriana ireo tanora mpandraharaha, mpitantana, manam-pahaizana amin’ny toekarena ary […]

INDRAY MIJERY

Manoloana ny haintrano nitranga teny Ankorondrano Tsaramasay, nidina teny an-toerana ny ekipan’ny Fahasalamam-bahoaka. Nahitana ny talem-paritry ny Fahasalamana Analamanga sy ny ekipan’ny CSB Antanimena miaraka amin’ny lehiben’ny mpitsabo ary ny mpanentana ara-pahasalamana ireo delegasionina. Nijery ireo traboina teny an-toerana ary nijery ny fahasalaman’izy ireo no antony nidinan’izy ireo teny. 111 […]

Fananahana ara-pahasalamana : Vita dika « en Braille » ny boky

Nampahafantarina teny Antaninarenina, tao amin’ny Cité des cultures, ny faran’ny herinandro teo, ny flyers en braille. Boky natokana ho an’ny manana olana ara-pahitana sy ireo olona jamba izy ity. Ny fikambanana Autisme Mada­gascar no namokatra ny flyers izay navadiky ny hetsika Nifin’ Akanga “en braille”. Mi­resaka momba ny fahafinaretana, ny […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny «Réserve de biosphère»: Hametrahana paikady ho an’ny 10 taona manaraka

26 ny Réserves de biosphère vaovao, araka ny famaritan’ny Unesco, amin’ny firenena 21. Mahatratra 784 anatin’ny firenena 142 ny isany amin’izao fotoana izao ka voaaro vokatr’izany ny velarana mirefy 1 tapitrisa km2. Ho an’ity taona ity, firenena vaovao enina no nahazo izany voalohany ao aminy. Faritra iray mampirindra ny fiarovana […]