Taratra

Fanampiana noho ny takaitran’ny rivodoza : Hanome vola 65 miliara Ar tsy averina ny sinoa

Noraisin’ny filohan’ny Fa­na­vaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny masoivohon’i Sina entim-bahoaka, Ji Ping, omaly. Voaresaka sy voatsiahy tamin’izany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Nitohy amin’ny fanaovan-tsonia ho fanamafisana izany ny fihaonana ka tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny firenena roa […]

Mandeha tsimoramora  

Anatin’ny asa fanarenana na fanorenana vaovao ny rava rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa samy am-perinasa avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny mba ho an’ny mpiray tanindrazana. Hatrany am-piangonana izao, efa manamafy fa tsy ampy ny fitondrana am-bavaka fotsiny. Mila asa mivaingana ireo traboina sy namoy […]

Fandresen-dahatra ny iraisam-pirenena : Any Addis Abeba ny minisitra Razanamahasoa

Miezaka manamafy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafiditra amin’ny politikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany. Mitarika delegasionina miatrika ny fivoriana any Addis-Abeba, anio sy rahampitso, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razana­ma­hasoa Christine. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Tafiditra amin’ ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina (UA), andiany faha-39, […]

TSELATRA

40 ny isan’ny maty; enina ireo tsy mbola hita popoka, ary 427 ny olona naratra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. 243 417 ny traboina (tokantrano 74 393) ; olona 6 318 nafindra toerana ka 11 468 napetraka any amin’ny toerana manokana miisa 48. Maha­tratra 14 630 ny trano […]

Ankadinondry Sakay: Voasambotra ilay lehilahy nidaroka vady aman-janaka

Zatra mampihatra herisetra amin’ny vadiny sy ny zanany va­vikely, notanan’ny zandarimaria ao Ankadinondry Sakay ny raim-pianakaviana iray, oma­ly maraina. Nodaro­darohan-drangahy ny ramatoa vadiny ary lasibatra ihany koa ny zanany vavikely, tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, afakomaly alina. Mive­lona amin’ny asa fanamboarana finday ao an-toerana ilay raim-pianakaviana. Mampijaly ny vady aman-janany amin’ny […]