Taratra

Nampiakatra maoteran-drano simba: Raim-pianakaviana maty sempotra tao anaty vovo

Namoy ny ainy tao anaty lavadrano, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray (28 taona), tamin’ny 1 ora sy sasany. Sempotra noho ny fisiana entona ratsy tao anaty lavaka izy. Nikarama nampiakatra maoteran-drano efa simba tao anaty vovo, tany amin’ny fokontany Anta­nimasaja, vakim-paritra faharoa Mahajanga, izy io, izao nindaosin’ny […]

Rugby – “XXL Top 12” : Hanohitra ny FTM ny 3FB Fahasalamana

Hitohy amin’ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, taranja rugby, rehefa niato nandritra ny telo herinandro. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny FTM Manja­ka­ray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Raha ny fifanandrinana teo amin’ny roa […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15. Fihaonana karakarain’ny Associations des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Ireo klioba manana ny taratasy fanamarinana fijoroana sy ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany. Raha ny […]

Barea Chan : Nilamina ny resaka « Prize Money »

Tsy niandry an’ilay 72 ora akory, nandray andraikitra ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly. Araka ny tapaka tao anatin’ny fivoriana nikaton-trano, izay nataon’ny Barea Chan sy ny mpitantana ny FMF, tetsy Isoraka, afakomaly, nanapa-kevitra ny Federasionina, izay tarihin’ny filohany, Randriamanampisoa Alfred, fa hanefa ilay vola ambininy an’ny […]

Fitantanana ny fanatanjahantena ; Adidy maro no miandry ny minisitra Rasambany Alain Désiré

Roa volana ihany no hitsarana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao anatin’ny governemanta vaovao. Andraikitra maro sy azo lazaina ho mazana ny miandry azy amin’izany. “Arahabaina eh! Na­hazo minisitra”. Voa­tendry hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Ra­sambany Alain Désiré. Izy indray izany no hisolo ny toeran’i […]