Zazavavikely telo taona naratra mafy niharan’ny herisetra tany Ambatoboeny, Faritra Boeny, afakomaly hariva. Vatana feno ratra, nivonto, tanana tapaka no hitan’ny olona. Nentina haingana teny amin’ny Hopitaly Androva Mahajanga izy taorian’izay. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Nahitana firehetana ihany koa tao amin’ny tanàna iray ao Manambondro, […]
Taratra
Ilanivato Anosipatrana : Trano fiompiana akoho may kilan’ny afo
Nitrangana haintrano indray tetsy Ilanivato, ny afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny trano fitoerana sy fiompiana akoho avo karazana izay nahitana rihana telo. Levon’ny afo sy maty nandritra izany, ny akoho miisa 100. Tsy fantatra mazava ny antony nihavian’ny afo fa avy any […]
Moto nifandona : Olona roa naratra mafy tetsy Nanisana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Nanisana, afakomaly hariva. Moto anankiroa no nifandona mafy teo akaikin’ny rond-point Nanisana tamin’io fotoana io. Potika sy niforitra tanteraka ny lohan’ireo kodiaran-droa nifandona ireo. Nianjera sy nitsirara tamin’ny arabe ireo nitondra azy. Vokany, olona roa naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy. Izay nahitana ny mpitondra ny […]
Olona enina naiditra am-ponja: Zaza varira nalaina an-keriny, tafaverina tamin’ny fianakaviany
Avotry ny polisim-pirenena, omaly, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, ny zaza varira iray nisy naka an-keriny. Olona enina voarohirohy tamin’izany, efa naiditra vonjimaika am-ponja. Hita sy avotry ny polisim-pirenena soa aman-tsara, tany amin’ny kaominina Antranomaro, distrika Amboasary Atsimo, faritra Anosy, omaly, ny zaza varira (12 taona) iray nisy […]
FANTINA sy FINTINA
Nahazo toromarika ny amin’ny tsy fandraisany anjara amin’ny governemanta ny TGV sy ny vovonana Irmar ary ireo mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nampita izany ny minisitra teo aloha, misahana ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Hentitra ny Primatiora eny Mahazoarivo momba ny fiaram-panjakana. « Hosaziana ireo mitazona izany, tsy […]




