Taratra

“First Global Challenge”-Panama : Haneho ny fahaizany ny Team FGC Madagascar

Hotanterahina ao Panama, ny 29 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra, ny fifaninanana iraisam-pirenena « First Global Challenge 2025 » (FGC) momba ny robotika. Lohahevitra amin’ity taona ity ny « Éco-Équilibre », izay andraisan’anjaran’ireo tanora marobe avy amina firenena maherin’ny 190. Hisolo tena an’i Madagasikara i Nathan, Hanniel, Barisoa ary Sylvio. […]

Seranan-tsambon’i Toamasina : Mahazaka kaontenera 4 500 ny « Terre-plein Hastie »

Efa miasa ary afaka mandray kaontenera hatramin’ny 4 500 ny « terre-plein Hastie » vaovao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ankehitriny. Vita ny 72 % ny asa fanitarana ny seranana amin’ny ankapobeny. Mitohy ny fanavaozana sy fanitarana ny seranan-tsambon’i Toa­ma­sina. Anisan’ny asa goavana tanterahina ny fametrahana ny « terre-plein Hastie » […]

INDRAY MIJERY

Tontosa tao Marseille, Frantsa, ny 16 hatramin’ny 18 oktobra lasa teo, ny fifaninanana «WorldSkills France 2025». Nandray anjara tamin’izany i Mada­gasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa Formapro BTP izay ifantohan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) ary tohanan’ny AFD sy ny CNEF BTP. Tanora efatra no nisolo tena ny firenena […]

Sekoly tiorka Maarif : Malagasy mpianatra 23 hahazo vatsim-pianarana

Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fahazoana va­tsim-pianarana any ivelany. Miisa 23 ny mpianatra ao amin’ny sekoly tiorka Maarif eny Talatamaty hisitraka izany amin’ity taona 2025 ity. Mpianatra 6 no hahazo ny va­tsim-pianarana YTB, omen’ny fanjakana tiorka, ary 17 hafa omen’ny sekoly Maarif. Ha­nainga eto Madagasikara rahampitso izy ireo. Manome fahafahana […]

Sekoly ambony politeknika : Hisitraka rano afaka iray volana

Nijery ifotony ny olan’ny mpianatra eny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona ny kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, mpiara-mitantana amin’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny faran’ny herinadro teo. Dingana voalohany amin’ny fandraisana an-tanana ny zo fototra amin’ny fahazoana jiro sy rano izay notakin’ireo mpianatra nandritra ny fotoana maharitra izany. Hoan’ny eny […]