Manohana ny Nifin’Akanga amin’ny fampiroboroboana ny zo ara-pananahana sy ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny Amplify Change. Araka ny fanadihadiana natao ny taona 2020, nahatratra 4% tamin’ny vehivavy nohadihadiana no nilaza fa niharan’ny herisetra. Fomba iray azo ampiasaina ny zavakanto hivoizana hafatra fanentanana hiadiana amin’izany. Naseho tao amin’ny […]
Taratra
“World Judo continental” : Hatao ao RD Congo ny fifaninanana
Fantatra izao fa horaisin’ny RD Congo ny fifaninanana “World Judo continental Team Championship for peace 2026”. Notanterahina ny zoma lasa teo, tao Kinshasha, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena congoley, Didier Budimbu Ntubwanga sy i Marius Vizer, filohan’ny International judo federation (IJF). Miavaka ity hetsika ity satria ivondronan’ireo kalazalahy […]
Taranja bisikileta : Nanjaka tamin’ny lalaon’ny RN1 i Houlder Mohamed
Notontosaina omaly, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny fifaninanana taranja bisikileta, RN1 milalao. Mbola nisongadina tamin’ity indray i Mohamed Houlder, solontenan’i Madagasikara any amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sady milalao ao amin’ny klioba COSPN. Araka ny fanazavana azo, nataony hanomanana sy hiatrehana ny fifaninanana afrikanina ny lalao tahaka itony […]
DAKA AN-JORONY: Aza fatra mpandefitra toa mpivaro-tantely
Toy ny sangodim-panina mihitsy amin’izao fotoana, ny manaraka ny tantaran’ilay volaben’ny mpilalao Barea Chan. Milamina, tsy milamina. Tsy fantatra intsony izay marina amin’izy ity. Mifanipaka toa valala an-karona ireo mpilalao. Samy manana ny filazany ry zalahy. Ao ireo manambara fa efa milamina ny amin’iny ka aleo tsy asiana resabe intsony. […]
Tsipy kanetibe – «Mondiaux Juniors 2025»: Tompondaka teo amin’ny olon-droa, lahy sy vavy, i Madagasikara
Nanandratra avo ny voninahi-pirenena indray ny tsipy kanetibe nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, Juniors 2025. Nandrombaka ny medaly volamena ary voalohany teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, i Madagasikara. Nifarana omaly, tany Isla Cristina Espagne, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy […]




