Tsy sambany ny fiaraha-mientan’ny samy mpanakanto. Nanoloana ny tsy fahasalamana nahazo an’i Kolibera, nisy ny hetsika izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Anat’Sah, sampanan’ Ambohitrimanjaka. Natao ho fitadiavam-bola hanampiana an’ity andrarezin’ny tendry gasy an-gitara ity izany, hiatrehany ny tohin’ny fitsaboana. Maro dia maro ireo namaly ny antso na dia […]
Taratra
Nentim-paharazana: Natsangana ny Vovonana mpitankasina mijoro
Ho tany repoblikanina, miorina amin’ny fomba nentim-paharazana i Madagasikara. Izay no tanjon’ny Vovonana mpitankasina mijoro izay nampahafantarina voalohany ny zoma 25 oktobra teo, tetsy amin’ny IKM Antsahavola. Ivondronan’ireo mpandala ny fomban-drazana malagasy, tsy anavahana foko sy firazanana izany. Mahatsapa izy ireo fa manana adidy goavana amin’izao toe-draharaha lalovan’ny firenena izao […]
« Artivisme 2025 » : Ny zavakanto, ho fitaovam-panentanana ny mpiara-belona
Mpanabe ny mpanakanto. Mpanaitra ny fiarahamonina amin’ny loza manambana ihany koa. Izay no tanjona tamin’ ny hetsika « Artivisme 2025 », nampiasain’ireo mpanakanto ny talentany amin’ny adisisika ho an’ny fiarahamonina. «Artivisme», mira fanairana amin’ny alalan’ny zavakanto. «Miaraka mandrasa ny fahanginana. Andao hiady amin’ny fanolanana sy ny fifamotorana». Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga eny Ambohimanambola ireo fitaovana ahafahana mamelona ireo milina miisa telo simba mpamokatra herinaratry ny Jirama. Mitentinta hatrany amin’ny 3 miliara Ar ireo fitaovana ireo. Hiampy 20MW ny famokarana herinanatra eto an-toerana, aorian’ny fanamboarana ary hihena ny fahatapahan-jiro lavareny. Marihina fa manodidina ny 10 andro isaky ny milina ny fanamboarana […]
“Poesam 2025”: Azon’i Mitao Forecast Africa ny loka voalohany
Natao ny zoma teo, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninanana «Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient», Poesam 2025. Nibata ny laharana voalohany ny Mitao Forecast Africa. Tetikasa miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia haminavinana ny toetr’andro sy hiarovana ny […]




