Taratra

Noho ny fangatahan’i Bodo… : Naroso ny 16 novambra ny sehon’i Marion

Nifandamina ny samy mpanakanto sy ny mpikarakara. Efa tapaka izany ary tsy miova intsony fa ny alahady 16 novambra no hanaovana ilay fampisehoan’i Marion, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. «Noho ny fangatahan’i Bodo manokana dia nomenay azy ny daty 23 novambra, izay efa azy teo aloha ihany saingy najanon’ny mpikarakara […]

Tojo tsy fahasalamana…: Hisy hetsika tolo-tanana ho an’i Kolibera

Naiditra hopitaly i Kolibera. Mbola ho lavalava ny fitsaboana, ka hanao seho tolo-tanana ireo mpanakanto maro, hanampiana azy hahazo fahasalamana malaky. «Narary tao an-trano izy ka voatery nampidirina hopitaly. Efa hita ho mihatsara ny fahasalamany, saingy mbola ho lava ny fitsaboana raha ny nambaran’ny dokotera», hoy ny nambaran’i Nini, zanak’i […]

Vaovao tambatra

Tsy mbola mivaha ny olan’ny sehatry ny lavanila eto amintsika. Misy ny mpandraharaha sasany milaza fa tokony halalahana ny tsena ary tsy ferana ny isan’ny mpandraharaha te hanondrana any ivelany. Misy kosa anefa ny mitsipaka an’izany, satria tsy mahavaha ny olana ny fanalalahana azy. Anisan’ny mampitotongana ny vidiny koa anefa, […]

Famatsian-drano: Kojakojaina ny milina eny Mandroseza

Atao anio 23 oktobra ny asa fikojakojana ny milina «décanteur Pulsator 1» eny amin’ny toby famatsian-drano Mandroseza I. Tsy maintsy atao izany, hampaharitra ny fotodrafitrasa, miantoka ny fenitra amin’ny fanadiovan-drano ary indrindra ahafahana mampitombo ny famatsiana eto Antananarivo sy ny manodidina. Maharitra adiny 8 ny fanatanterahana ny asa. Mano­loana izany, […]

Mila mahay maka lesona

  Nahavariana ny besinimaro ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, omaly. Andaniny, nisomebiseby tamin’ny fandraisana fahefana ny Praiminisitra, teny Mahazoarivo. Toraka izany, nihidy aman-trano teny an-dapa ny mpitondra sy ny iraky ny Sadc. Ankilany anefa, nanaitra ny fahitan’ny olona miaramila iray, manamboninahitra jeneraly, teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Voalaza fa mpanohitra fanjakana […]