Taratra

Lalao afrikanina ho an’ny tanora: Handray anjara ny Makis U17, lahy sy vavy

Ho anisan’ireo taranja vonona hiatrika ny lalao afrikanina ho an’ny tanora 2025 ny taranja rugby. Handray anjara amin’­izany ny ankizivavy sy ny ankizilahy. Efa ao anatin’ny fanomanana izany izy ireo ka hosedraina ireo miatrika ny fampivondronana anio. Hotanterahina ao Luanda Angola, ny 10 ka hatramin’ny 20 desambra ho avy izao, […]

Haintany: May ny alan’ Ankarafantsika

Nahitana trangan’afo vaovao ao amin’ny atialan’Ankarafantsika, ny 13 oktobra 2025 teo. Voafehy ny afo, saingy nirongatra indray roa andro taty aoriana. Niara-nisalahy ny mponina eny ifotony, ny mpitantana ny toerana ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny mpitandro filaminana, ny mpamonjy voina avy any Mahajanga, ny ekipan’ny Madagascar National Park (MNP) ary […]

Vakinankaratra sy Menabe: Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny tanora

Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny faritra Vakinankaratra sy Menabe, iarahana amin’ny Fisa Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora. Nanaovana fakan-kevitra ireo tanora hahenoana ny hetahetany mahakasika ny fanatsarana ny resaka fananahana ara-pahasalamana. Tamin’izany no nahafantarana ny vina sy ny faniriany momba ny […]