Taratra

Ho matotra tsara amin’izay

  Vita izay ny fianianana, vita ny fandraisana fahefana ho an’ny filoham-panjakana. Tonga marobe nanotrona izany raha­teo ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika. Midika izany fa miala any ny fankatoavana iraisam-pirenena. Ny fikambanana iraisam-pirenena rahateo efa nanambara ny faniriany raha mba governemanta ho entin’ny sivily no mitondra. Fiaingana […]

Fitantanana ny tetezamita: Nahavita fianianana ny Kly Randrianirina Michael

Tontosa omaly, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Ambohidahy, ny fianianan’ny Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michael. Ny politikan’ny fitsitsiana no vaindohan-draharahany. Vita soa aman-tsara omaly ny fianianan’ny filoham-panjakana, hiandraikitra ny fiadidiana ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Mada­gasi­kara. Manamarika ny fandraisan’ny kolonely Randria­ni­rina Michael ny fahefana izany. Nivoitra tamin’ny lahateny izay nataony […]

Baolina kitra any Allemagne : Miverina anatin’ny heriny i Bolo

Tsara fiditra! Rehefa tsy hita nandritra ny fotoana ela tao anatin’ny lalaon’ny Hertha Zehlendorf Berlin, klioba atsy Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Ma­lagasy mpilalao baolina kitra milaravinahitra atsy Alle­magne. Niverina tamin’ny heriny indray izy amin’izao fotoana izao, anatin’ity ekipa ity, rehefa nahazo lalao 20 minitra, nandritra ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Fotodrafitrasa iray anisan’ny nanaovan’ny fitondram-panjakana fanavaozana ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, etsy Iavoloha. Tsy mitohy intsony ny asa fanavaozana araka ny loharanom-baovao iray. Andrasana, araka izany, na hanohy ny fampivoarana ny kianja ny fanjakana na tsia. Niatrika ny lalao voalohany ho azy ireo, tao amin’ny klioban’ny Al Merrikh Soudan, afakomaly, ireo […]

Ankoay 3×3 – Africa Cup : Nanomboka ny fampivondronana

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa malagasy Ankoay 3×3, amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao ny 4 hatramin’ny 7 desambra izao, eto Madagasikara. Nanomboka omaly ny fampivondronana, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Eny amin’ny Petit Palais Mahamasina no hiatrika izay fampivondronana izay ireo mpilalao ary […]