Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo hetsika karakarain’ny Sehatra Bagasy, ho an’ity volana septambra ity, hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, ny sabotsy 5 septambra izao, ilay fampisehoana «Alavizana an-kira». «Hiaraka hankafy sy hifehy ny hiran’izy 3 mirahalahy Telonohorefin’ny hira teatraly isika», hoy ny nambaran’i Mbosa tamin’ny mpanao gazety, […]
Taratra
Sy Ratolojanahary: “Mihen-kasina ny teny malagasy ka mila fanarenana”
Anisan’ireo tanora malagasy, fantatry ny maro ao amin’ny tambajotran-tserasera, i Sy Ratolojanahary. Raim-pianakaviana sy Mpanao gazety ary mpanabe an-tserasera, sady mpanoratra ny tenany. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, omaly. Gazety Taratra (*): Inona no nahatonga anao ho liana kokoa amin’ny teny malagasy nefa saika mandalina ny teny vahiny ny ankamaroan’ny […]
Vaovao tambatra
Ankehitriny, olona 1,7 tapitrisa eto Madagasikara no miatrika olana goavana amin’ny fahazoana sakafo ampy, araka ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam/WFP). Anisan’ny antony voalaza ny fiankinandoha amin’ny fambolena miankina amin’ny orana, ny fahavitsian’ny fidiram-bola, ny fiakaran’ny vidin-tsakafo ary ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Rehefa mikorontana ny fizaran-taona, maharitra ny […]
Nosy Sakatia: misongadina ny soka-dranomasina
Manana sata Faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety (APMT) ny Nosy Sakatia any Nosy Be, faritra Diana. Mirefy 600 ha ny velaran’ny ranomasina, miampy ny tanety 500 m manodidina ny ranomasina. Mirefy 6km ny lavany ary 2 km ny sakany. Ahitana tanàna telo (Ampasindava, Ampasimena, Antanabe). Mivelona amin’ny jono sy ny […]
Fizahantany ara-tontolo iainana: nahazo traikefa ireo VOI any amin’ny Nosy Sakatia
Nentin’ny tetikasa GecBatan tany Anja sy Tsaranono, faritra Matsiatra Ambony, naka traikefa, ny fikambanan’ny Vondron’olona ifotony (VOI ) any amin’ny Nosy Sakatia, Nosy Be. Hitan’izy ireo maso ny fahombiazana amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana. Tanjon’ny tetikasa Gec-Batan ny hisian’ny fitantanana maharitra mitondra fampandrosoana ny Faritra arovana sy hisitrahan’ny […]




