Raha ny zava-misy amin’izao fotoana, mihanaka sy manjaka ny karazana herisetra amin’ny endriny samihafa. Ho an’i Madagasikara manokana, karazana herisetra tena manjaka sy hita eny anivon’ny fiarahamonina ny herisetra ara-batana, ny ara-nofo, toy ny fanolanana ao an-tokantrano, na fanerena hanao firaisana ara-nofo. Nankalazaina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy […]
Taratra
Voatifitra tao Mahajanga: Mitaky fanonerana ny fianakaviany
Manoloana ny zava-nisy nandritra ny hetsika Gen Z, sy ny fandrobana hita tao amin’ny Tanànan’i Mahajanga, ny 26 septambra lasa teo. Tonga taty an-drenivohitra, nilaza ny zava-nitranga tany an-toerana, Rakotomalala Jerôme, omaly. Nitantara izay fahoriana lalina nianjady taminy izy. Voalazany fa namoy zanaka iray ny fianakaviany, tamin’ny fahalasanan’i Tanjona. Nomarihiny […]
Vaky trano : Lehilahy nahatrarana 12 tapitrisa Ariary
Voasakan’ny zandarimaria teny an-dalana ny lehilahy iray tompon’atoka tamin’ny vaky trano nahaverezana vola an-tapitrisany tao Betaimboay, distrikan’i Kandreho, afakomaly. Norobain’ny olon-dratsy ny tokantrano iray tao amin’io tanàna io. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny lasibatra ary nitoroka ny olona nahavanon-doza. Nitondra moto cross nandositra ilay lehilahy. Nanao fanakanan-dalana avy […]
Nandritra ny fidinana an-dalambe: 24 ireo mpandroba voasambotry ny polisy, nisy naiditra am-ponja
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora sy eny Tsiafahy ny 20 amin’ireo mpandroba tratra ireo. Nahazo fahafahana madiodio ny iray hafa. Hiakatra fampanoavana anio kosa ny telo ambiny. Nahatratra 24 ireo mpandroba vaosambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny Brigade anti-pillage, ao amin’ny Commissariat central Tsaralalàna. Nanomboka ny 25 hatramin’ny 27 septambra lasa […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga omaly, nihazo an’i Lybie, i Nicolas sy i Fenohasina, Malagasy mpilalao baolina kitra. Hamonjy ny kliobany Al Merrik izy mirahalahy amin’ny fanohizana ny fifaninanana nasionaly ataon’izy ireo. Fihaonana hotanterahina ny 4 oktobra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa mpilalao niatrika ny Chan izy mirahalahy ireo. […]




