Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Nisokatra kely ny tranombarotra vitsy teny Behoririka sy Andravoahangy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tena tsy misy mihitsy ny fidiram-bolan’izy ireo nefa ny fandaniana isan’andro tsy maintsy aloa. Anisan’izany ny hofan-trano amin’ny toerana ivarotana, ny karaman’ny mpiasa, ny filana andavanandro ao an-tokantrano ho an’ny fianakaviana, sns. Nikatona indray izy ireo ny […]

Jirama Fianarantsoa : Tsy mitazam-potsiny ny fihenan’ny rano

Manoloana izao hain-tany mandalo eto amin’ny nosy izao, namoaka fanambarana ny orinasa malagasy misahana ny jiro sy rano, (Jirama) ao Fianatantsoa, omaly. Araka ny nolazain’izy ireo, tsy mitazam-potsiny ny orinasa amin’ny fihenan’ny tosaky ny rano miditra ao amin’ny « captage » Ankidona, fa misy ny asa fametahana tohodrano mba hahafahana manangona rano […]

Fitsinjovana ny karazana : Mikatona ny fanjonoana oratsimba

Mampahafantatra ny besinimaro, araka ny didim-panjakana lah 2017-854, navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Voalaza fa voarara ny fanjonoana, ny fivarotana, ny fividianana, ny fitaterana karazana hazandranomasina oratsimba (langoustes), manomboka ny 1 oktobra 2025 hatramin’ny 31 desambra 2025. Voakasik’io didim-panjakana io ny faritra Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe, […]

Lalam-pirenena faha-4 : Atao anaty adiny 4 ny lalana Ambondromamy-Mahajanga

Vita ny ankamaroan’ny lalana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Mitohy ny fanavaozana ataon’ny orinasa CRBC, avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR). Maromaro ny lalampirenena harenina, ankehitriny. Anisan’izany ny RN2, ny RN4, ny RN7. Ho an’ny RN4 (Antananarivo-Mahajanga), vita ny fanarenana ireo ampahany tena ratsy, hatreo Ambovomandresy. Atao ao anatin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Misesy ihany ny fanafoanana hetsika sy seho ara-javakanto. Nanao fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny mi’Ritsoka Production fa hahemotra ny fampisehoana tokony hotontosain’i Lalatiana, ny 19 oktobra, eny amin’ny CCI Ivato. Saika hanamarihiny ny faha-50 taona nihirany izy ity sy ho fihaonana indray amin’ireo mpankafy an’i Lalatiana. Fotoam-bita tsy […]