Taratra

Befandriana Avaratra: Olona valo maty tototry ny tany

Mpitrandraka fasimainty miisa valo niara-namoy ny ainy tototry ny tany tao Marivoragna Angarongana, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly. Olona am-polony niara-niasa tao amin’io toeram-pitrandrahana io. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo. Nihotsaka ny tany tamin’ny lavaka fitrandrahan’izy ireo harena an-kibon’ny tany. Nianjera avy hatrany tamin’ny toerana nisy ireo mpiasa ny tany. Olona […]

Fidinana an-dalambe: Samy hihetsika ny Gen Z sy ny mpanohana fitondrana

Mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tanora. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, omaly. Milaza ny hihetsika koa manomboka izao ny mpanohana ny fitondrana. Niafara tamin’ny fipoa­han’ny lakrimozenina hatrany ny hetsika fitakiana nataon’ireo mpitolona eo anivon’ny Gen Z sy ireo mpiasam-panjakana, omaly. Maherin’ny 8 ireo naratra ka ankizy roa voa mafy. Renim-pianakaviana iray […]

Mampangorintsina ny mpankafy : Mitendry angorodao sy vatamaroafitsoka i Jean Piso

Manan-talenta ma­no­kana amin’ny fi­tendrena angorodao sy fiantsana ny gadon-kira tsapiky i Rebily Jean na i Jean Piso. Avy any An­dranokototo, Be­tio­­ky, faritra Atsi­mo Andrefana ny fiaviany. Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andra­nokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha […]

Fikasihan-tanana… : Tsy faly amin’ny Emmo/Reg ny mpanao gazety

Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo mpanao gazety teny an-kianja, omaly. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo «Fanompana sy fakana an-keriny telefaonina ary felaka tehamaina. Mbola niampy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso inefatra. Nihatra tamin’ny mpanao gazety ireo», hoy ny solontenan’ny mpanao gazety, nitatitra ny […]