Mampanahy sy mampatahotra ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny zava-miseho. Io ny nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny “Raharaha depiote Sahondrarimalala Marie Michelle”. Mampieritreritra raha toy izao ny fomba andraisana sy iampangana ny olona […]
Politika
Vondrona Vato : Handray anjara amin’ny raharaham-pirenena
Ho fiarovana ny tolona izay natao, nanao fanambarana tetsy Tsiadana, omaly, ny tanora nitolona rehetra teny an-kianja fa hanambatra ny hery ka hanangana ny vondrona Antoky ny tolona ho an’ny olom-pirenena (Vato). Araka ny fanazavana nataon’izy ireo, omaly, sehatra iray mampivondrona ireo tanora nitolona rehetra ny Vato. Tanjon’ity vondron-kery ity […]
Ambasadaoro Claire Pierangelo : “Hijery ny tombontsoan’i Madagasikara mandrakariva i Etazonia”
Tonga nanao veloma ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoron’i Etazonia niasa sy nonina teto Madagasikara, i Claire A. Pierangelo. Tsy nisy nipika ny resaky ny roa tonta. Na izany aza, nambarany tamin’ny mpanao gazety fa: “mbola hijanona ho […]
FANTINA sy FINTINA
”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao […]
Justice et Paix : “Aoka tsy ho diso ady atrehina isika”
“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manomboka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy […]





