Politika

Depiote Milavonjy Philobert : “Tsy voafaritra ho olon’ny antoko ny mpiasam-panjakana”

“Ny asam-panjakana ange tsy misy hoe rehefa miova ny fanjakana na ny fitondrana dia manafatra olona avy any an-danitra, angamba, hapetraka eo amin’ny fitondrana sy ha­nompo ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Anteni­mierampirenena, ny de­piote voafidy tany Ambovom­be An­droy tamin’ny anaran’ny Irmar, […]

Toromariky ny filoham-panjakana: Hatao amin’ny teny malagasy ireo taratasim-panjakana

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika avy amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Anisan’izany ny fitantanan-draharaham-panjakana. «Tokony hanaovana ezaka ny handikana amin’ny teny ma­lagasy ny taratasim-pifandraisan’ny fanjakana amin’ireo mila raharaha rehetra momba izany», hoy izy. Nampaha­fan­tatra koa ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika […]

Birao politika, Ratiankavana Benjamin : « Tsy manana olana amin’ny Tim ny MMM »

Namaly ireo fanaratsiana samihafa, indrindra avy amin’ ny antoko Tim, ny eo anivon’ ny MMM, amin’ny alalan’ny birao politika, Ratiankavana Benjamin. Nambarany fa mi­roso ny fanovana eto amin’ny firenena na eo aza ireo mpanaratsy. « Tsy manana olana amin’ ny Tim na ny depiote Razara Pierre Fidèle izahay. Samy manohana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Misaona ny antoko Tim. Nodimandry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Ankaraobato, Atsimondrano, Randriamiandrisoa Gilbert. Nitsapa alahelo teny an-toerana ny mpikambana sasany eo anivon’ny fikamban’ny ben’ny Tanàna manerana ny Nosy, tarihin’ny filohany, Rado Ramparaoelina. Nanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny « Forum parlementaire de la Sadc » azy tatsy Afrika Atsimo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randri­ana­soloniaiko […]

Depiote Ramilison Nomenjanahary: « Aoka tsy ho lany andro hifanaratsy isika »

Naneho ny heviny ary na­hitsy ny depioten’i Fara­tsiho, Ramilison Nomenjana­hary, manoloana ny raharaham-pirenena. «Tsy tokony ho lany andro hanaratsy ny hafa isika mpisehatra politika. Aoka hikatsaka ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Nam­barany fa tsy fotoan’ny fifanaratsian’ny samy mpanao poli­tika na antoko politika izao. Tokony hapetraka ho laharam-pahamehana ny tombon­tsoam-bahoaka, […]